airtel

Fampianarana

19-juin-2024

CEPE TAO TALATAMATY

Mpiadina miisa 1.230 no nozaraina bisikoitra

Sample post image

Manao ho zava-dehibe ny sehatry ny Fanabeazana ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

19-juin-2024

Lohalaharana amin’izany ny fanatsarana ny voka-panadinana amin’ny alalan’ny fanohanana ny mpianatra toy ny nataon’izy ireo omaly Talata 18 Jona, fotoana nanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy. Mpiadina miisa 1.230 avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana tao an-toerana omaly no notoloran’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany bisikoitra natao ody ambavafo. Vao maraina izy ireo dia efa nitety ireo foibem-panadinana miisa 5 nanolotra izany nahitana ny CEG Talatamaty, EPP Talatamaty, Flambeau, Fanoellie ary ny St Jean Ba. Tanjon’ny kaominina moa ny hamporisihina ireo mpiadina hanao ny tsara kokoa hatrany. Tsiahivina fa mahazo fitaovana ireo mpianatra izay tsara naoty indrindra niatrika CEPE sy BEPC ao Talatamaty raha ho entina mitsangatsangana any amin’ny faritra kosa hiantohana ny rehetra ireo izay afa-panadinana Bakalorea ka tena nahomby.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic niaraka tamin’ireo mpiadina !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap