Fitakiana sy grevy lava no misy, ary fampanantenana vahaolana lava no setriny, saingy tsy mety misy vahaolana tena marin-toerana. Ny vahaolana tokoa ve no tsy misy sa ny finiavana no tsy ampy? Isan-taona izao, eny mety in-droa na in-telo isan-taona aza dia tsy maintsy misy resaka fitakiana “bourses”! Matetika aza moa ny vatsim-pianarana tamin’ny taon-dasa takiana amin’ny taona hitsahina. Efa tany amin’ny martsa 2021 no nodradradradrain’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny “digitalisation” ho an’ny oniversite, ka nilazana tamin’izany fa hahazo “carte bancaire” ny mpianatra, hilamina amin’izay ny vatsim-pianarana,... Niandrandra ny rehetra fa hivaha 100% amin’izay ny olana satria tena zava-dehibe ny fampiasana ny teknolojia hanamorana ny fahasahiranana. Ilay teknolojia ve sanatria no tsy voafehintsika? Tsy mampino izany, fa rehefa zohiana dia ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana no betsaka! Raha resaka informatika sy ny teknolojia izany tena kapoakantsika Malagasy, ary tokony hotrandrahana sy hositrahana faran’izay tratra. Tsy resaka fampianarana ambony ihany fa azontsika trandrahana sy ampiasaina amin’ny sehatra maro io mba hanafainganana ny asa aman-draharaha na tsy miankina na ara-panjakana, eny fa iankinan’ny fampandrosoana mihitsy aza. Toa tsy any anefa no olana, fa mitambatra ao avokoa ny mety ho olana ara-bola, ara-pitantanana,… dia izao iaraha-mahita izao ny vokany. Raha tena narindra sy nalamina tao anatin’ny herintaona na roa taona fara-fahabetsany ve io dia mbola ho tahaka izao hatrany ny olana sy ny zavatra mbola hiadintsika mandrak’ity ny androany ?
Toky R
Tsy vao izao no nahenoina ny hoe efa tsy mpianatra ety intsony kanefa dia mbola mipetraka amin’ny fonenan’ny
Nanao fangatahana miantefa amin’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana