airtel

Fampianarana

14-juin-2024

Faha 100 taonan’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra

Ho halehibiazina ny efitrano fianarana informatika

Sample post image

Napetraka omaly ny takela-batom-pahatsiarovana ny faha 100 taonan’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra.

14-juin-2024

Nasaina tao anatin’izany, raha ny fanazavan’ny talen’ity lisea ity, Prisqualine Rabenary, ireo mpampianatra, mpanabe, indrindra, ireo maintimolaly, na mpampianatra io na mpianatra tao fahiny. Nasaina koa ny fianakavian’ireo tale na «proviseur» nifandimby sy ny solontenan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, hoy izy. Taorian’ny sakafom-piraisana na «déjeuner dansant» ho an’ny olon-dehibe natao teny amin’ny Espace Rose By Pass ny 26 aprily teo dia hitohy amin’ny fety ho an’ireo mpianatra na «Bal de promotion» eny amin’ny P.K 00 Soarano ny lanonana ary nanasana mpanakanto maromaro ny 21 jona izao. Io andro io koa no famaranana ny fankalazana amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana hitsofana rano ireo mpianatra hanala fanadinana ary hisaorana an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny taom-pianarana sy izay fankalazana faha 100 taona izay ary hanasana ireo ray aman-dreny sy maintimolaly ihany koa, ny tapany maraina. Mbola malaza hatramin’izao ity lisea ity amin’ny resaka fitsipika na «discipline». Ny fahaizana tsy mety raha tsy miaraka amin’ny fahendrena. Ezahana foana ny hanarenana ny tsy mety satria ankizy miisa 2000 mahery notezain’ny lisea isan-taona. Samy manana ny fihaviany, ny ray aman-dreniny, ny fokontaniny sy ny rehetra ireo. Tsy asiana fanavahana izany rehefa tonga eto. Ankoatran’izay dia marina fa sekolim-panjakana ity fa tezaina ara-panahy koa ao anatin’ny «Cellule de prière» na fiaraha-mivavaka ny ankizy. Sarotra ny mitaiza ankizy ankehitriny. Eo ny fiarahamonina. Eo ny tambazotran-tserasera dia ezahana tezaina amin’ny lalana tokony alehany, noho izany, ireo mpianatra ireo. Heverina fa isan’ny maha sangany ity lisea ity amin’ny vokatra azo isan-taona izany. Manodidina ny 560 eo isan-taona ireo kilasy famaranana manala bakalorea, hoy hatrany ny tale. Tsangambato, ankoatran’izay, hoy ny filohan’ny komitin’ny fankalazana ity 100 taona ity, Tsiory Rabetokontany, ny fitoerana entana na «casier» ho an’ny mpampianatra. Eo koa ny «Salle TIC» na efitrano fianarana informatika satria lisea filamatra ity, hoy izy. Tsy afaka tanterahina ny fianarana informatika, izay ao anaty praograma, raha tsy manana efitrano fianarana izany izahay. Ho avaozina, halehibiazina, noho izany, ny efitrano fianarana informatika efa ao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap