airtel

Fampianarana

04-juil-2024

Faharanitan-tsaina artifisialy na «IA» frantsay

Malagasy no ao ambadika

Sample post image

Malagasy no mpiasa ao ambadiky ny antsoina hoe «Intelligence Artificielle» na IA frantsay,

04-juil-2024

izany hoe ao ambadik’ilay lazaina fa mahasolo ny fisainan’ny olombelona na ny fahaizan’ny olombelona mihitsy ao anaty solosaina sy teknolojia vaovao ao. Tsy «robots» na olom-by ihany akory no ao ambadiky ny faharanitan-tsaina artifisialy na «IA» fa misy olona miasa ary eto Madagasikara ny mpanantateraka izany, hoy ny mpanao fanadihadiana, Maxime Cornet sy Clément Le Ludec, izay mpiasa ao amin'ny Institution Mines Télécom. Noho ny fahasahiranana amin'ny fitadiavana mpiasa any Frantsa dia maro ny orinasa miompana amin'io sehatra nomerika io eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana. Porofo iray hafa manamarina indray izany ity zava-misy mikasika orinasa frantsay iray ity fa havanana sy manana ny fahaizany manokana ny malagasy eo amin’ity resaka fikirakirana nomerika ity. Isan’ny efa nanamarina izany, volana maromaro lasa izay, ny sekoly ambony iraisampirenena momba ny teknolojia iray eto amin’ny firenena sy ny IT University, izay oniversite tsy miankina eto an-toerana sangany amin’izay tontolon’ny nomerika izay ihany koa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap