airtel

Fampianarana

03-juil-2024

Famoahana laza adina BEPC nialoha

Mpampianatra 1 vosambotra, mpiadina 18 naato

Sample post image

Mpampianatra iray antsoina hoe : R.C. vao 25 taona,

03-juil-2024

mpampianatra ao amin’ny Lisea tsy miankina iray any Port-Bergé no voasambotry ny mpitandro ny filaminana omaly maraina. Tratra teo am-pizarana valin’ny laza adina Matematika izy io, raha ny loharanom-baovao. Nidina an-tsehatra nanamarina ny zava-nisy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena, ka mpianatra miisa 18 izay mpanala fanadinana BEPC no tratra niaraka tamin’io mpampianatra io tany an-tranony, teo am-pandikana ilay valin’ny laza adina. Rehefa nosokafana ny valopy nisy ny laza adina matematika, dia hita tokoa fa tena nifanitsy tanteraka tamin’io ilay valiny nasaina nadikan’ireo mpianatra. Nosamborina io mpampianatra io, ary naato tsy afaka miatrika ny fanadinana ireo mpianatra 18 araka ny fanapahan-kevitry ny DREN na ny fiadidiam-paritry ny fampianarana ao Boeny. Tsy maintsy hiakatra fampanoavana mazava ho azy ity raharaha ity, ka andrasana ny tohiny. Raha ny lalàna, dia tsy mahazo miatrika fanadinam-panjakana ao anatin’ny 5 taona izay tratra manao hosoka na « fraude ». Andrasana kosa ny mikasika io mpampianatra io na koa ny sekoly nampianarany mihitsy aza ankoatra ireo mpitsikombakomba hafa satria heverina ho nanao tari-bato vilam-bava sy mamosavy an-kolaka ny mpianatra izany ny tenany. Tsy tany amin’ny Faritra Sofia ihany, fa nanomboka ny faran’ny herinandro teo no efa nandeha ny karazana bizina maloto amin’ny fivarotana laza adina izay asa na fanakorontanana saim-bahoaka na tena izy saingy tsy azo hamaivanina. Entanina hatrany ny mpiadina sy ny Raiamandreny tsy ho roboka amin’ireny satria tena famitahan-tena sy poizina ho an’ny ho avin’ny mpianatra ny fahafahana sy mari-pahaizana miorina eo ambony tsy fahamarinana sy hosoka.
Toky R


 

Dans la même rubrique