airtel

Fampianarana

07-août-2024

Famoahana mialoha laza adina Bakalorea

Olona miisa 4 no voarohirohy

Sample post image

Nanimba ny sain'ny mpikirakira tambazotra serasera ny fahitana mialoha ireny laza

07-août-2024

adina ireny nandritra ny fanadinana Bakalorea farany teo, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena omaly. Efa nampanantena ny ato amin’ny Zandarimaria, hoy ny fanazavana, fa hisy ny vokatra mahakasika azy ireny ho an'ny eto Menabe. Vokatry ny asa nataon'ny GAPJ GN Menabe dia olona miisa 4 no voarohirohy amin'izany ka ny 1 amin'izy ireo dia ankizy mbola tsy ampy taona ary tsy naseho amin’ny sary. Ny iray mpiandraikitra kaonty Facebook, izay voaporofo fa nahazo ary nanaparitaka ilay laza adina izay mitovy amin’ny laza adina tonga tao amin’ny fanadinana tamin’ny matematika. Mpianatra miisa 2 no nahazo izany fa ny 1 mbola tsy ampy taona. Talena lisea tsy miankina iray no voaporofo fa nanome naoty ny mpianatra tsy niatrika fanadianana fanatanjahantena. Efa naterina amin’ny fitsarana ny raharaha. Aza dia manimba mpianatra tompoko, hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique