airtel

Fampianarana

12-avril-2023

Fampianarana

Fampanantenana vaovao 2028… “Ho lasa mpiasam-panjakana ny FRAM rehetra”

Sample post image

Ho lasa mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra FRAM hatramin’ny taona 2028, raha ny nambaran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle omaly 11 aprily,

12-avril-2023

nandritra ny fitokanana ny sekoly tany Antavola ao anatin’ny distrikan’Ikongo. Niantso ireo mpampianatra mpanabe mba haneho faharetana ity Minisitra ity izay naneho, fa tokony hanao tahaka ny pasitera ireo mpampianatra satria ny pasitera dia tena manana faharetana tokoa amin’ny asany. Nisy moa ny fanolorana fifanaraham-piaraha-miasa nataon’io Minisitra io an’ireo mpampianatra FRAM an-jatony nandritra ny fandalovany tany amin’ity distrika ao anatin’ny faritra Fitovinany ity. Tsara ny mampahatsiahy na izany aza, fa maharakotra ny Nosy ny sekoly, akaiky ny fifidianana dia mety mandeha ny fampanantenana, ary tsy vao izao no nisy fampidirana FRAM ho mpiasam-panjakana. Tsy vao izao ihany koa no nisy mpitondra am-perinasa nampanantena, fa amin’ny 2028 dia hivaha ny olana, ka anisan’ireny ny resaka angovo izay nolazaina fa ho foana amin’izany ny delestazy, rehefa tsy nahomby ilay hoe: 400MW anatin’ny 5 taona nolazaina tamin’ny 2018,... Tsy misy afaka hanatanteraka azy ireny afatsy ny mpitondra ankehitriny ve? Sao sanatria hatao fitaovana politika hakana vaton’ny mpifidy indray?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap