airtel

Fampianarana

09-juil-2024

Fampianarana ambony tsy miankina

Handefa mpianatra any Inde ny ISFPS-LEADER

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo firenena vahiny miara-miasa amin’ny sekoly ambony ISFPS-LEADER

09-juil-2024

tarihin’Atoa Mahasoa Tsimiondrike izay efa manana ivon-toeram-pampianarana miisa 13 manerana ny Nosy. Hiara-kiasa amin’ny firenena Indiana indray izy ireo manomboka izao koa na mpianatra vao ao amin’ny taona voalohany manovo fahalalana ao amin’ity sekoly ambony iray ity aza dia ho afaka hanohy fianarana avy hatrany any amin’ny oniversite MATS any Inde ao amin’ny taona faharoa. 100% ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra izay mahazo ny moyenne 17 raha 50% kosa izany ho an’ny ambiny rehetra. Ny fifehezana ny teny Anglisy monja no takiana amin’ireo mpianatra sisa izay nomarihin’ny filoha tale jeneraly Mahasoa Tsimiondrike fa efa hampianarina maimaim-poana ireo mpianatra ao aminy ihany koa. Tsy olana ihany koa ny resaka taratasy. Efa manana fikambanana mikarakara ireo mpianatra ao aminy handeha hanohy fianarana any ivelany mantsy ny ISFPS-LEADER raha roa andro monja dia vita ny VISA. Marihina moa fa azon’ireo mpianatra ao amin’ity sekoly ambony ity tohizana any Inde avokoa ireo lalam-piofanana nianarany teto toy ny pharmacologie, ny droit, ny commerce, ny ekonomia….Afaka miverina eto Madagasikara izy ireo aorian’izany nefa afaka mijanona any an-toerana ihany koa misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa avy hatrany. Tonga teny Tanjombato nanatanteraka kaonferansa lehibe nitafatafana tamin’ny mpianatra no sady nanazavany ny mombamomba ny oniversite-ny any Inde ny solontenan’ity firenena iray ity miasa sy monina eto Madagasikara omaly.
Pati
Legende : Ny filoha tale jeneralin’ny ISFPS-LEADER Atoa Mahasoa Tsimiondrike !
 

Dans la même rubrique