airtel

Fampianarana

05-juin-2024

Fampiofanana « SUSI » any Etazonia

Voafantina handray anjara i Rivomanana Ratsimbamiova

Sample post image

Rivomanana Ratsimbamiova, mpampianatra teny anglisy ao amin'ny

05-juin-2024

Sekoly tsy miankina Linking Countries Training and Action na LCTA Private School Ambatondrazaka no voafantina handray anjara amin'ny programa Study of the United States Institutes for Administrators na SUSI ho an’ny taona 2024, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny praograma akademika SUSI moa dia mitondra mpanabe avy amin’ny ambaratonga faharoa mitsidika any Etazonia hanampy azy ireo hamantatra bebe kokoa ny fiarahamonina, kolontsaina sy soatoavina ary ireo andrim-panjakana amerikanina. Ny tanjona dia ny hanamafy orina ny fandaharam-pianarana sy hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana momba an’i Etazonia ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa sy ambaratonga ambony ivelan’i Etazonia. Manaraka fiofanana akademika mandritra ny 4 herinandro any amin'ny California State University, Chico, i Rivo nanomboka ny 1 Jona lasa teo. Fiofanana, velankevitra, fizarana traikefa, atrikasa, fitsidihana toerana manan-tantara sy fihaonana ary hetsika ara-kolontsaina isan-karazany no hameno ny fandaharam-potoanany amin'izany, hoy hatrany ny fanazavana momba ity praograma amerikanina mikasika ny teny anglisy ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap