airtel

Fampianarana

28-août-2024

Fanabeazana sy fampianarana

Mila fanarenana maty paika fa tsy filalaovana ara-politika

Sample post image

Nanamarika ny andron’ny omaly ny fanambaran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena fa maimaimpoana ny

28-août-2024

fisoratana anarana eny amin’ny Sekolim-panjakana amin’ity taom-pianarana 2024-2024 ity. Tsy vao izao ihany koa anefa no niresahan’ny Fanjakana ankehitriny an’io, saingy mbola tsy izay no zava-misy. Marina fa vao miditra fe-potoam-piasana vaovao indray ny Fanjakana ary vao miverina miasa indray ny Minisitra taorian’ny fitsanganan’ny governemanta. Ahoana no aty amin’ny efa fotoana fohy efa tsy hidiran’ny mpianatra sy efa misy ireo nahavita fisoratana anarana vao mivoaka itony fanapahan-kevitra itony ? Maty paika sa fanapahan-kevitra kitaitaitra na kabary politika toy ny mahazatra ? Moa tsy efa tokony ho tao anatin’ny fandaniana ny tetibolam-panjakana ve no fantatra izany satria ny fanapahan-kevitra tahaka izao dia heverina hatrany fa tokony hisy fandraisana fepetra ara-bola avy amin’ny Fanjakana satria na tiana na tsy tiana dia misy ireo sekoly izay tsy afaka tena miodina raha tsy misy vola avy amin’ny Ray aman-dReny ? Tahaka izany ihany koa ny filazan’ny Fanjakana fa tsy azo atao ny mampiditra mpampianatra FRAM vaovao sy « Bénévole ». Ny mpianatra anefa mety hitombo ka ahoana no hiodinan’izany ? Zava-dehibe ny fanehoana fa mijery ny fampianarana, saingy rehefa mijery ny laharam-pahamehana, dia mbola ambanin-javatra io, ary saika fanaovana fitaovana politika azy no hita taratra hatramin’izay, toy ny familafilana ny mpampianatra na antsojay rehefa tsy manaiky hanaraka loko politikan’ny fitondrana. Marina fa laharana faharoa ny fanabezana ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2024 satria 1,532 miliara Ar, saingy mbola betsaka ireo lesoka. Ny fampitahana efa natao teto, ny 800 miliara Ar eo natotontona amin’ny teleferika izay mety fokontany 10 ka hatramin’ny 15 no lalovany, kanefa handoavana trosa 60 miliara Ar eo ho eo isan-taona hatramin’ny 2036, ary mbola mety hatramin’ny 2039 aza. Ahafahana miantoka fampianarana ankizy 2 00 000 isan-taona handoavana saram-pianarana 25000Ar isam-bolana hatramin’ny 2036. Raha handraisana mpampianatra FRAM, dia ahafahana mandray 10000 isan-taona mikarama 500 000Ar isam-bolana,... Raha tena homena sehatra ve ny fampianarana, dia tokony mbola hisy mpampianatra FRAM ? Marina fa misy ny sekoly manara-penitra saingy betsaka no toa ny avo ihany no tovanana, fa ny any ambanivohitra lavitra mbola betsaka no tsizarizary. Raha miverina amin’ny fanadihadian’ny Afrobaromètre mikasika ny fanabeazam-pirenena nivoaka ny taona 2018, dia 78% teo ny taham-pankasitrahan’ny vahoaka ny goverenemanta ny fampianarana tamin’ny 2008, teo amin’ny 33% tamin’ny 2014 nifaranan’ny tetezamita, ary lasa 54% tamin’ity 2018 ity. Mety misy ny ezaka, fa betsaka ny fanatsarana mbola mila apetraka toy ny hoe : tena mifanaraka amin’ny filàn’ny Firenena sy ny harena sy tsenan’ny famoronan’asa eto ve ny votoatim-pampianarana ? Tena mamokatra olona ho andry iankinan’ny firenena ve ny sekoly sa zary fombafomba izany eto amintsika ka na ny ambaratonga ambony aza lasa mpamokatra olona tsy an’asa ?
Toky R

 

Dans la même rubrique