airtel

Fampianarana

28-juin-2024

FANADINAM-PANJAKANA BEPC

Taranja miisa 3 no mbola tena atahoran’ny mpiadina

Sample post image

Hotanterahina manomboka amin’ny Alatsinainy 01 Jolay ho avy izao ny fanadinam-panjakana BEPC

28-juin-2024

manerana ny tanin’ny Repoblika. Mpiadina an’hetsiny no indray hiatrika izany ka 10 taona no zandriny indrindra. Raha araka ny fanadihadiana natao omaly tetsy amin’ny CEG Antanimena dia miisa 250 ireo mpiadina hiatrika izany ao an-toerana avy amin’ny kilasy miisa 5 samihafa. Ny taranja Matematika sy fizika hatreto no mbola tena atahoran’ireo mpiadina izay nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sekoly fa antony mahavitsy ireo misafidy ny sokajy B. Ho azy ireo manokana mantsy dia miisa 4 na 5 isan-kilasy monja izany. Na izany aza mbola ao anatin’ny famerenana tanteraka izy ireo hatramin’ny anio Zoma 28 Jona. Toraka izany koa ny sekoly tsy miankina iray eny Ankadifotsy eny. Ho an’ity farany indray dia ny taranja tantara sy jeografia ary ny fizika sy matematika no tena atahoran’ny mpiadina ihany koa saingy na izany aza hiezaka faramparany izy ireo hanampy ireo mpiadina miisa 50 ao aminy.
Pati
Sary fanehoana : Mbola betsaka amin’ireo mpiadina no matahotra !
 

Dans la même rubrique