ny fanadinam-panjakana CEPE teto amintsika, omaly Talata 18 Jona, fotoana nanatanterahana izany. Ny ankoatra izay kosa tsy dia nanana olana ny mpiadina. Ireo tsy tonga no somary nanahiran-tsaina ny tompon’andraikitra toy ny niseho teny amin’ny foibem-panadinana CEG Alasora. Nahatratra 24 be izao mantsy izy ireo raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny foibem-panadinana Rakotomandimby Ferdinand. Tsy nisy kosa ny narary na nanadino ny taratasy fiantsoana. Nizotra tamim-pilaminana noho izany ny fanadinana tamin’ny ankapobeny. Mpiadina miisa 1.445 no niatrika izany tao amin’ity foibem-panadinana iray ity ihany izay nozarain’ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy sakafo atoandro masaka niaraka tamin’ny voasary natao fandevonan-kanina.
8 TAPITRISA AR
Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona ny tahaka izao raha araka ny fanazavany tao anatin’ny efa-taona nitantanany ny tanana. Manokana teti-bola mihitsy ny kaominina hanampiana ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ka tamin’ity taona 2024 ity dia nahatratra 8 tapitrisa Ar no laniny tamin’izany, fanapahana niaraka tamin’ireo mpanolontsain’ny tanana. Tanjon’ny kaominina ny hahafahana mampitovy ny sakafo hohanin’ny mpiadina rehetra hisorohana ny alahelo mety hahazo ny sasany na koa ny aretina sy ny olana ateraky ny tsy fihinanan-kanina hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa nahazo sakafo atoandro tahaka izany koa ireo mpandraharaha sy ireo tompon’andraikitra rehetra tao amin’ity foibem-panadinana ity. Tafakatra 1.700 ny isan’izy ireo niaraka tamin’ny mpiadina rehetra.
kely Anisan’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly i Tendry, zazavavy kely vao 10 taona monja, monina eny Mandroseza. Nambarany tamin’izany fa ny laza olana no tena nanahirana azy. Ny ankoatra izay kosa nilamina avokoa ary manantena ny ho afaka izy. Tsiahivina moa fa mpiadina miisa 295.000 no niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly nanerana ny Nosy. 5 taona no zandriny indrindra tamin’izany raha 42 taona no zokiny indrindra. Ny taranja Operation, probleme, SVT ary tantara no natao omaly maraina raha ny taranja Malagasy sy Frantsay ary jeografia kosa no namaranana izany omaly hariva.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy nizara sakafo ho an’ireo mpiadina tao amin’ny CEG Alasora ! Legende : Tendry anisan’ireo mpiadina !
Legende : Rakotomandimby Ferdinand, lehiben’ny foibem-panadinana eo anivon’ny CEG Alasora !
Aim-pirenena ny fanabeazana ary masina ny asan’ny mpampianatra,