airtel

Fampianarana

13-mars-2025

Fanadinana CEPE

Ahoana no hiantohana ny tsy hisian’ny « fuite de sujets » ?

Sample post image

Hatramin'izay dia ny CNAPMAD no manao tonta printy sy colisage isaky ny CISCO .

13-mars-2025

Manomboka amin'ity taona 2025 ity dia eny amin'ny DREN no amolavolana ny lazadina Eny amin'ny CISCO no atao tonta printy .Samy omena imprimante lehibe hanaovana tonta printy izy ireo . Mipetraka ny fanontaniana : manana toerana tena azo antoka hametrahana sy hanaovana izany ve ny CISCO 120 manerana ny Nosy, efa hita ihany ny zava-nitranga teo aloha. Ahoana no hiantoahana fa tsy hisy « fuite de sujets » amin'ny olona mivezivezy .Manana herinaratra avokoa ve ny CISCO ? Sa ahoana no izany no paikadin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’io ? maro loatra ny fanontaniana ka miteraka ahiahy tsy hihavanana.Laza adina efa tsara ambina izao aza mbola misy tafavoaka ihany , vao miha fa hoe aparitaka ny toerana hanontana azy. Tena ampy iomanana ve ny fotoana . marihina fa ny 15 jona 2025 no hanatanterahana ny fanafinana CEPE .
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Tena misy ifandraisany ny tsy fandriampahalemana mirongatra sy ny fanabeazana mitotongana

Card image cap