airtel

Fampianarana

03-oct-2024

Fanamafisana ny traikefan’ireo mpitantana orinasa

Hizara fiofanana i Rosa Rakotozafy sy ny Dr Fabrice Lollia

Sample post image

Nampahafantarina omaly tetsy Ilafy ny andinindininy mikasika ilay hetsika mitondra ny lohateny hoe

03-oct-2024

comment la psychologie sportive peut-elle maximiser la performance des dirigeants » na hoe «Ahoana no ahafahan’ny haitoetra ara-panatanjahantena manamafy ny traikefan’ireo mpitantana?». Ho tontosaina ny 19 oktobra izao eny amin’ny COT Ilafy izy, hoy ny fanazavan’i Noro Rajaonera, izay isan’ny mpikarakara ny hetsika miaraka amin’ny PEAK. Araka izany, hoy izy, dia hetsika natao ho an’ireo mpitantana orinasa izy io. Somary miendrika atrikasa izany. Ho entina amin’io fotoana io izany ny fomba fikolokoloina sy fitaizana ary izay rehetra avy amin’ny fanatanjahantena avo lenta hitondrana fanampiana ireo tomponandraikitra any amin’ny orinasa ahafahany miatrika ny tontolo ara-kasa. Ho isany hita ao, ohatra, manomboka any amin’ny fiomanana ara-tsain’ny mpanao fanatanjahantena avo lenta rehefa hiatrika fifaninanana? Ahoana no ataon’izy ireo rehefa mafy be ny tsindry na «pression» satria misy any anaty orinasa koa izany? Ahoana no atao rehefa mafimafy kokoa ny mpifanandrina, miova ny toerana, rehefa resy hahafahana mitraka rahampitso? Maro lafy ny fifandraisan’ny tranga amin’ny fanatanjahantena sy orinasa ho hita ka ny Dr Fabrice Lollia, izay manam-pahaizana momba ny fampahalalam-baovao sy serasera, no hitondra ny famelabelarana mikasika izany. Manana ny mari-pahaizana MBA no sady mpanazatra iraisampirenena ihany koa izy ary efa mpanao fanatanjahantena avo lenta fahiny satria sady nanao Judo no nanao 100m. Eo koa i Rosa Rakotozafy, izay atleta avo lenta malagasy, hizara ny traikefany amin’io fotoana io ihany koa. Mpitantana sy tomponandraikitra ambony amin’ny orinasa no asaina satria izy ireo no tena miaina izay notantaraina rehetra izay voalohany. Antenaina koa anefa ao aorian’izay fa ho afaka ampiharin-izy ireo any amin’ny orinasa tantanany avy izany fifampizarana izany. Vonona koa ny mpikarakara avy eo hampanao fiofanana amin’ny ekipan-drizareo tsirairay avy. Atao eny amin’ny COT na «Club Olympique de Tananarive» satria eny no ivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Heverina fa tsy ho latsaky ny 25 isa ireo ho tonga hamaly ny antso amin’ity andiany voalohany ity. Misy sarany ny fandraisan’anjara saingy heverina fa zakan’ny rehetra ary tsy dia misy fahasamihafany loatra hoe fiofanana tahaka an’izao no omena ny mpitantana orinasa madinika na lehibe. Ny fifampizarana koa no tena zava-dehibe aorian’ny fanazavan’ny Dr Fabrice Lollia ny voka-pikarohana siantifika ho atorony amin’io fotoana io, hoy hatrany ny fanazavany. Ho an’ireo izay te hanatrika izany moa dia misy ny rohy ao amin’ny tambazotran-tserasera «Linkedin» na ny pejin’ny «peak business partner» ary misy fisoratana anarana ho an’izay liana, hoy ny tale jeneralin’ny PEAK, Hasina Randrianantenaina. Misy koa ny laharana finday izay azo anomezana ny andinindiny momba izany, raha ny fanazavany ihany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique