airtel

Fampianarana

20-juin-2024

FANAMPIANA NY MPIARA-BELONA

Nankasitraka ny mpiara-miasa aminy Fikambanana TAMA

Sample post image

Ankoatra ny fikambanana Tanora Actif an’i Madagasikara izay hivondronan’ireo tanora liana amin’ny asa

20-juin-2024

fampandrosoana eto Madagasikara dia tsy manao antsirambina ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Manerana ireo Boriborintany 6 eto an-drenivohitra no ahitana izany, mijery ireo zokiolona tsy misy mpiahy, ireo Reny mananontena, ny ankizy kamboty…. Nankasitraka manokana ireo mpiara-miasa aminy araka izany ity Renim-pianakaviana iray ity."Raha tsy misy anareo aho dia tsy mandeha ny asa fanampiantsika ny mpiara-belona ka sambatra aho manana anareo ary misaotra sy mankasitraka indrindra ny amin'izany" hoy izy niantefa manokana tamin’ireo mpikambana. Narahiny fanolorana nofon-kena mitam-pihavanana nahitana vary sy hena izany niaraka tamin’ny valopy ho fankasitrahana ny isam-batan’olona. Miisa 150 moa ireo mpikambana nisitraka izany izay mbola vonona hatrany ny hanohana ny mpiara-belona ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : isika mpandresy.
Pati
Legende : Neny Rija Ethel, nanolotra ny fankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa aminy !
 

Dans la même rubrique