ny mba fanampiana omen’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena azy ireny. Antony tsy hahafahana mikarakara na manavao ireny karazana foto-drafitrasa ireny izany na dia efa tena trotraky ny natiora azy, antony manosika ny Kaominina eny ifotony hitady fanampiana. Ho an’ny Kaominina Ampitatafika Atsimondrano manokana ohatra dia tonga nanampy ny EPP ao Ambohimahitsy ny fikambanana Lions Club Antananarivo Iarivo afak’omaly Sabotsy 14 Septambra. Fanomezana dabilio miisa 15, fandokoana ny atiny sy ivelan’ny trano, fikarakarana ny trano fivoahana sy fidiovana no nataon’izy ireo tamin’izany taorian’ny fangatahana nataon’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Nambaran’ity Ben’ny tanana ity tamin’izany fa tamin’ny taona 2016 no vita ity EPP ao Ambohimahitsy ity. Fokontany miisa 3 amin’ireo 13 ao aminy sisa noho izany no tsy manana EPP, asa maika izay tsy maintsy hotanterahiny raha sitraky ny ao Ambony. Mbola kandida Ben’ny tanana mantsy ny tenany ka ny sehatry ny Fampianarana hatrany no laharam-pahamehana. Afaka roa taona ohatra dia nambarany fa efa neken’ny Irlande du Nord ny fanavaozana ny EPP ao Ampitatafika amin’ny alalan’ny tenany manokana. Nomarihiny manokana moa fa tsy tokony avelan’ny fanjakana irery amin’ny Kaominina ny fikarakarana ireny foto-drafitrasam-pampianarana ireny fa tokony hifanome tanana ny roa tonta.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina ny Sabotsy teo !
Betsaka ireo mpanabe eny anivon’ny sekoly no mitaraina amin’izao fa saika hapetraky ny Ray aman-dReny