airtel

Fampianarana

27-nov-2024

Fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana

Mitondra tan-tsoroka lehibe ny UNESCO-BIE

Sample post image

Tontosa ny fanadihadiana momba ny fampifanarahana ny fandaharam-pampianarana sy fanabeazana na ny « Curriculum »

27-nov-2024

amin’ny fiteny na « diagnostic d’alligement curriculaire et linguistique », izay teo ambany fiahian’ny UNESCO-BIE, rafitra iray eo anivon’ny UNESCO hanatsarana ny fanabeazana. Ny faritra Diana sy Analamanga no niaingan’ny fanadihadiana sy fitsirihana ahahafahana mijery hoe : ahoana ny hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ? Ao anatin’izany ireo programa sy ireo « curicula » ampiasaina mba hanatsarana ny zavatra atolotra ny ankizy. Ho famaranana ity dingana amin'ny asa ity, ny UNESCO-BIE dia nisy ny atrikasana farany nizarana ny vokatry ny fanadihadiana tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly 26 novambra 2024 notronin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Nifampizarana sy nankatoavana ny vokatra azo sy hamaritana fomba stratejika iombonana, mifanaraka amin'ny laharam-pahamehana ao amin'ny Drafi-pirenena momba ny fampandrosoana maharitra mankany amin’ny 2038 sy ny tanjon'ny Fandrosoana Lovain-jafy (ODD), indrindra ny ODD 4 (Fanabeazana ara-kalitao sy tsy mitanola ary ho an’ny rehetra) ho an'ny taona 2030. Nananganana ihany koa ny tondrozotra stratejika ho an'ny fanatanterahana ny fanavaozana ao amin'ny fandaharam-pampianarana, amin'ny fampiasana ireo fahalalana sy fahaiza-manao efa misy eto an-toerana fa hampifanarahana amin’ny fenitra iraisam-pirenena, entina mamaly ny tanjon'ny fanabeazana ara-kalitao amin'ny alàlan'ny fandrindrana ny toe-javatra ara-sosialy sy ny fepetra takiana amin'ny fomba fianarana sy fampianarana, mifanaraka amin'ny zava-misy takian'ny taonjato faha-21.

MILA TAN-TSORAKA ARA-BOLA SY FAHAIZA-MANAO HO AN’NY FANABEAZANA
« 40% amin’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra no tsy manana ny fahaiza-manao fototra ilaina,... Resy lahatra ny UNESCO fa raha misy ny famatsiam-bola sy finiavana ara-politika, dia tena azo antoka fa hitondra fiovana miabo ny fanabeazana. Lesoka maneran-tany ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola », hoy ny Talen’ny BIE Atoa Svein Oesttveit. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fanofanana ny mpanabe satria raha tsy misy mpanabe tsara hofana dia zava-poana ny fanatsarana ny fandaharam-panabeazana. Miezaka mandrakotra ireo faritra 23 ny tetikasa, ary tanjona rahateo ny hitondrana fanofanana sy fampitaovana arakaraka ny filany manokana. Manohana ity tetikasa ny Repoblika Federalin’i Alemaina amin'ny lafiny ara-bola, fa maro ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanabeazana satria 90 tapitrisa dolara eo no entin’ny USAID ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaom-panabeazana eto, anisan’ny nosafidian’ny AFD sy ny Banky iraisam-pirenena ho mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara ihany koa ny UNICEF amin’ny alalan’ny famatsiam-bola 25 tapitrisa dolara,… raha ny ampahany voalazan’ireo mpiara-miombon’antoka nandritra ny atrikasa nataon’ny UNESCO-BIE omaly.
MANANA ANJARA TOERANA LEHIBE NY « TENY RENY »
« Indraindray sakana amin’ny fanolorana ny fahalalana ny teny ampiasaina, ka io no nojerena hoe : inona no teny ampiasaina. Tao anatin’ny fandalinana, dia hita fa ilaina foana ny manantsara, misy ny zavatra miabo, fa misy ihany koa ny miiba. Zava-dehibe kokoa ny teny reny, fa tsy midika anefa izany fa tsy hiditra amin’ny teny hafa isika. Efa ao anatin’ny LOGEM (Loi portant orientation générale du système éducatif à Madagascar) io fampiasana ny teny reny io », araka ny fanazavan-dRavelojaona Manda Sekretera Jeneralin’ny COMM Nat UNESCO.
Toky R


 

Dans la même rubrique