airtel

Fampianarana

23-août-2023

Fanohizana fianarana any ivelany

Frantsa sy Kanada no tena be mpifidy

Sample post image

Maro ireo mpianatra malagasy te hanohy ny fianarany any am-pitan-dranomasina, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Andafy study, saingy olana ny ara-bola.

23-août-2023

Antony io, hoy ny mpitantana ity orinasa mpikarakara izany ity, Dina Randria, hampahafantaranay ny momba ny tokony atao mikasika izany ny 24 sy 25 aogositra izao etsy amin’ny Analamanga hotel Tanjombato. Miisa 3000 eo ny ankizy eto Madagasikara mandeha manohy fianarana any an-dafy isan-taona. Kanada sy Frantsa no tena betsaka mpifidy. Izay mahaloa saram-pianarana dia efa alamin’ilay oniversite mandray azy ny taratasy mikasika izany na “visa”, hoy hatrany ny fanazavana. Manodidina ny 30 tapitrisa Ariary hatramin’ny 80 tapitrisa Ariary isan-taona no totalin’ny vola lany amin’izay fanohizana fianarana any ivelany izay, hoy hatrany ny fanampim-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap