airtel

Fampianarana

19-juil-2024

Fifaninana Robotika hatao any Dakar

Efa resabe indray vao nivaha ny olan’ny solontenantsika

Sample post image

Miverina matetika ny olana eo amin’ny fiantohana ny solontena Malagasy amin’ny

19-juil-2024

fifaninanana iraisam-pirenena samihafa. Vao herinandro lasa izay no lasa resabe ny tsy maha tao anaty lisitra ny mpanazatra an’i Laura Rasoanaivo hany solontena Malagasy sy solontena Afrikanina amin’ny taranja judo hiatrika ny lalao olaimpika any Paris. Efa fitsaram-bahoaka sy kiana mivaivay teny amin’ny tambajotran-tserasera vao nivoaka fa vahaolana. Dia io ihany koa fa nivoaka indray ny olan’ireo tanora anatin’ny ekipa « Robotiako » hiatrika solontenan’i Madagasikara hiatrika amin’ny fifaninanana momba ny robodika ao anatin’ilay « Pan-African Robotics Competition 2024 » hatao any Dakar Sénégal. Ny 22 jolay izao fara-fahatarany no tokony ho tonga any an-toerana ireo solontena Malagasy. Omaly, mbola nandeha ny antso avo hanohanana azy ireo. Ireo tanora izay efa niomana sy nahafoy zavatra maro tsy nandry andro tsy nandry alina nanoman-tena sy niketrika, mba tsy hampitsanga-menatra antsika sy ny firenena, saingy olana hatrany ny hoenti-manana. Ny Fikambanana miahy azy ireo no tena nikofokofoka, saingy tena tsy ampy ny hoenti-manana raha ny serasera hatry ny omaly satria tao anatin’ny iray volana rahateo no niomanana. « J-5 androany... 600 000 Ariary no eto am-pelatanana, isaorana ireo izay nanolo-tanana ny ekipa, fa mbola tsy « billet d'avion » iray akory izany,… Nisy ihany koa ny fanampiana izay nataon’ny orinasa tsy miankina samihafa kanefa tsy mbola lavitra ny tanjona tratrarina », hoy ny fanazavana omaly. 38.500.000Ar ny totalin’ny vola ilaina amin’ny fandehanana hiazo an’i Dakar, izany hoe ny « Billet d’avion » fotsiny. Ny vola azo amin’ny tsipaipaika kosa dia entina hanampiana amin’ny filana rehefa tonga any an-toerana. Tahaka ny tamin’ny resaka mpanazatra an’i Laura Rasoanaivo, dia nivoaka ihany koa ny serasera avy eo, fa dia nivaha ny olana, hiantohan’ny Minisiteran’ny Paositra (MNDPT) ireo solontenantsika. Ny zava-dehibe dia nivaha ny olana, ary irariana ny hitondran’ireo tanora vokatra tsara.
TSY VAO SAMBANY
Efa sary nitranga ny novambra 2021 ny tsy nahafahana niatrika ny fifaninanana “Robotex” tany Estonia, mikasika teknolojia sy ny tontolon’ny robotika satria tsy ampy ny nenti-manana. Nifanindran-dàlana tamin’io anefa dia nitondra delegasionina an-jatony nandeha nitehaka azy tany amin’ny COP26 ny mpitondra, kanefa tsy hita izay vokany. Sangany ary tsy mitsanga-menatra ny Malagasy amin’ny fifaninanana ara-teknolojia tahaka itony, ary matetika mibata amboara na farafaharatsiny anatin’ny 10 voalohany, saingy tojo fahasahiranana hatrany amin’ny hoenti-manana. Mba misy ve ny fametrahana amin’ny toerany ireo tanora mamiratra sy reharehan’ny Firenena?
Toky R

 

Dans la même rubrique