izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, fa raha ny lalàna no jerena dia tsy tokony hanao asa ivelan’ny asam-panjakàna amin’ny maha mpiasam-panjakàna azy ny mpiasam-panjakàna. Voakasik’izany koa, hoy izy, ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite saingy misy amin’ireo kandidà nefa tsy maha voahaja izany. Isan’ny fanontaniana napetrak’ireo mpampianatra mpikaroka hafa kosa nefa tetsy ankilan’izay ny hoe azo atao ve ny manafoana filatsahan-kofidian’olona iray amin’ny alalan’ny tondro molotra? Sambany teo amin’ny tantaran’ny oniversite, hoy izy, no nisian’izao toe-draharaha mahamenatra izao. Tsy etikan’ny mpampianatra mpikaroka mihitsy ny fanelezana fifanalam-baraka amin’ny vaovao tsy marina.
KAJY POLITIKA TIANA HANILIHANA KANDIDA?
Kajy politika tiana hanilihana kandida tsy tiana manokana ve? Raha zohiana ny tantara, hoy ny mpampianatra mpikaroka hafa, dia mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona izany fifidianana filohan’ny oniversite volena olana toy izao izany. Lasa fomba fiteny moa ilay hoe tao anatin’ny 60 taona fa raha ny tena marina izany dia efa 60 taona mahery mihitsy hatramin’ny mbola niantsoana ity oniversite ity hoe «Fondation Charles De Gaulle». Nanapa-kevitra ny minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiantsa fa tsy ovàna ny lalàm-pifidianana ary nanaraka izany ny komity mpikarakara fifidianana ka nampahafantatra ny fepetra nahafahana nilatsaka ho fidiana ny 18 febroary 2025 lasa teo, hoy ny fanazavàna. Akory anefa ny hatairan’ny maro fa rehefa ho tapitra ny fametrahana antotan-taratasy filatsahana dia izay vao namoaka naoty indray ny komity ny 24 febroary 2025 ny amin’ny lalàna mifehy ny propagandy, izay mbola tsy hita na tamin’ny fifidianana filoham-pirenena aza. Ilay fepetra iray vao natsofoka tampoka io ve no lasa noraisina ho fenitra vaovao indray hahafahana manilika ny kandida sasany? Manao antsoavo ho an’ny komity mpikarakara fifidianana mba hanaja ny tsy fitanilàna na «neutralité» ho filaminan’ny oniversite toy ny hatramin’izay rehefa misy fifidianana, hoy hatrany ny mpampianatra mpikaroka misehatra ao anatin’izany.
Nangonin’i J. Mirija