airtel

Fampianarana

04-août-2023

Fampianarana

Fipariahan’ny laza adina bakalorea “Tsy avy amin’ny conclave ny fivoahana”

Sample post image

Mivoatra ny raharaha mikasika ny fipariahan’ny laza adina tamin’ny bakalorea. Manamafy ankehitriny ireo nanomana ny laza adina tany amin’ny “Conclave”

04-août-2023

fa tsy azo eritreretina ny nivoahan’ny laza adina mialoha niainga avy tao. “Ny andro nidiranay voalohany tao amin’ny Villa Soafaniry Ambohibao Antananarivo dia nisy ny fisavana ny entana rehetra ary nojeren'ny zandary tsirairay hatramin'ny silipo aza, tsy misy zavatra hafa tafiditra tao na ny bitika indrindra aza. Entina ilazana fa tena hentitra ary tsy nisangy zareo, indrindra taorian'ny “fuite de sujet” tamin’ny taona 2019 izay tao amin’ny “conclave” no nipoirany”, hoy ny fanazavana. Manomboka any amin’ny fanomanana ny laza adina ka hatramin'ny “expédition” dia misy fitanana an-tsoratra sy fanamarinana tsy maintsy fenoin'ny tsirairay isaky ny mahavita asa anankiray. Ny fisavana ataon'ny zandary koa henjana satria isaky ny miditra na mivoaka ny efitrano fiasana ny rehetra dia tsy maintsy savaina, ary tsy mora ny fisavana olona anankiray (ohatra: sokafana hatramin'ny vava). Ny zandary koa mandray naoty izay zavatra mitranga rehetra ao,... Tsy mitombina ary tena tsy azo eritreretina ny nisian’ny fivoahany tany amin’ny “conclave” satria ankoatran'ireo fepetra napetraky ny zandary sy ny minisitera ireo, dia tsy nisy koa ny fifandraisana toy ny firesahana na fiarahana fa resaka ny moana sy marenina, hoy ny fanazavana. “Nisy fotoana nivory izahay nangataka fanazavana avy amin’ny lehibe tao amin’ny minisitera dia nolazain'izy ireo, fa tsy avy ao aminareo ny niavian'ilay fivoahana, fa avy eny amin’ny Centre Talatamaty ary efa olona maromaro no voasambotra, nisy koa olona avy eny Mahitsy ary nahatratrarana laza adina sy vola tao, araky ny filazan-dry zareo ihany,... hoy hatrany ny fanazavana. Izy ireo anefa no nampanantsoina, ka 13 amin’ny 18 no nalefa any am-ponja, izay misy vehivavy ary ny asan'izy ireo dia nanao “contrôle” valopy, ary tao anatin'ny nataon'izy ireo ny centre Talatamaty niavian'ilay fivoahana laza adina, dia tsy mahazo manokatra valopy na mikitika izay ao anatiny ny mpanao “contrôle”, nefa dia lazaina fa niray tsikombakomba. Ireo chef de centre tao Talatamaty voalaza fa niavian'ilay fivoahana indray no lasa vavolombelona manilika ary nilaza fa avy tao amin’ny “conclave” ilay valopy nahatonga izany, hoy ireo akaiky ireo lasibatra. Misy ny fitanana an-tsoratra niparitaka izay moa milaza fa tamin’ny fandraisana ireo laza adina dia nisy tamin’ireo valopy no nisy nanokafana ny 8, ka tsy nihidy tsara intsony, ary tsy nifanitsy ny fitombokase. Iza marina no tena tompon’antoka?
Toky R
 

Dans la même rubrique