airtel

Fampianarana

28-août-2024

FISOLOKIANA DIPLAOMA AVY AMIN’NY SEKOLY AMBONY

Misy tonga hatrany am-pita ireo tanora sasany vao tratra

Sample post image

Betsaka ireo tanora Malagasy te-hiasa any am-pitandranomasina.

28-août-2024

Noho ny fitontongan’ny lanjam-bola eto Madagasikara sy noho ny tsy fisian’ny tsenan’ny asa eto amintsika no antony mahatonga izany. Misy koa anefa ireo tsy te-hisahirana akory nefa te-hahazo asa tsara any ivelany, antony mampanaotao foana ny sasany. Misoloky diplaoma amin’ireny sekoly ambony tsy miankina ireny izy ireo ary milaza ho mpianatra tena navoaka ofisialy mihitsy. Licence raha kely ny diplaoma lazain’izy ireny fa hananany raha mbola misy mihoatra lavitra noho izany ny an’ny sasany. Ho ana sekoly ambony tsy miankina iray dia nambaran’ny tompon’andraikitra ao aminy fa nisy tonga hatrany am-pitandranomasina mihitsy ireo tanora nisoloky ho mpianany. Tsy mbola tratra teo noho eo izany raha araka ny fanazavany fa taorian’ny asa nampandraiketin’ilay orinasa tany ivelany ilay tanora mpianatra. Tsy nisy tafavoakany mihitsy mantsy izany, antony niantsoan’ny tompon’ilay orinasa ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ilay sekoly. Fantatra taorian’izany moa fa tena tsy mpianatra nivoaka tao amin’ilay sekoly ambony tokoa ilay tanora mpianatra fa nisoloky diplaoma sy anaran-tsekoly fotsiny ihany.
Pati
Legende : Afaka tarafina amin’ny fari-pahaizana hananany ny diplaoman’ny tanora mpianatra iray !
 

Dans la même rubrique