airtel

Fampianarana

20-août-2024

Fisoratana anarana eny anivon’ny sekoly

Vao ny 50%-n’ny Ray aman-dReny no nahavita

Sample post image

Folo andro mahery eo ho eo sisa dia hiverina an-tsekoly indray ny mpianatra, indrindra fa ny eny anivon’ny sekoly tsy miankina.

20-août-2024

Amin’ny ankapobeny anefa dia mbola tsy vonona amin’ny fiatrehana izany mihitsy ny Ray aman-dReny. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny sekoly tsy miankina maromaro mantsy dia vao ny 50%-n’ny mpianatra amin’izao no nahavita ny fanaovana ny fisoratana anarana ho an’ny sekoly hianarany. Mpianatra tranainy ny ankamaroan’izy ireo raha azo isaina amin’ny ratsan-tanana kosa ny mpianatra vaovao. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina talen-tsekoly iray dia noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny no antony mahatonga izany. Saika lasa any amin’ny haninko hanina isan’andro avokoa izay vola hita ankoatra ny fanefana ny hofan-tranon’olona sy ny vidin-jiron’ny JIRAMA. Maro amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no tonga mitalaho any amin’ny talen-tsekoly mamandrika toerana am-bava fotsiny ihany fa tsy mbola nisy nandoa vola. Ho an’ireo sekoly tsy miankina sasany moa dia misy ihany ireo manome fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana ho avy izao raha misy ihany koa ireo afaka miandry ihany saingy tsy maintsy mandoa ny vola fisoratana anarana mialohan’ny datin’ny 02 Septambra ho avy izao. Afaka miandry hatramin’ny antsasaky ny volana Septambra kosa ny saram-pianarana.
Pati
Legende : Ahiana hihenabe ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly amin’ity taona ity !

 

Dans la même rubrique