airtel

Fampianarana

13-oct-2023

Fitakian’ny SECES

2 amin’ny 9 no mba novalian’ny fitondrana

Sample post image

Araka ny efa voarakitry ny filankevim-pirenen’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra

13-oct-2023

na SECES ny 8 sy 9 jona lasa teo dia misy teboka maro ny fitakiana, hoy ny SECES, sampana Antananarivo. Isany, ohatra, ny fangatahana fampiharana fandoavana ny vary mangatsiakan’ny didim-pitondrana miisa 3. Efa nataon’ny minisiteran’ny vola sy tetibola hatreto ny kajy fa ny fampiharan’ny fitondram-panjakana azy no andrasana sisa. Fara-fahakeliny, tsy maninona, efa azonay ekena, hoy izy ireo, ny fandoavana ny hetsika finiavana na “geste de bonne volonté”. Nisy ny “indemnité de recherche et d’investigation” na tambin-karama noho ny fikarohana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra retirety. Misy 4 taona izay, 2018, 2019, 2020, 2021 no tsy voarain’izy ireo izany tambin-karamany izany. Andrasana fatratra ny amoahan’ny BSE na “Bureau de suivie et d'exécution”, izay birao fanaraha-maso sy fanatanterahana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblikan’i Madagasikara ny sorabola mikasika izany sy ny fandefasana an’izay eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana ahafahany mandefa izany ety anivon’ny oniversite. Eo koa ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra an-tselika. Ny ampahany kely monja amin’ny taom-pianarana 2018-2019, tapany faharoa, no efa nalohan’ny fanjakana. Ho an’Antananarivo manokana, raha 75% izay tapany faharoa izay dia ny 26% no voaloha. Mbola misy 48% eo izany andrasana. Mbola tsy misy tokontaniny ny ho an’ny 2019-2020 sy 2021-2022. Mitovy amin’izany koa ny ora fanampin’ireo mpampianatra am-perinasa. Eo ny fangatahana amin’ny fitondram-panjakana ny tokony hanondrotana olona miisa 79 ho “Professeur titulaire” sy “Directeur de recherche”. Isaorana ny fitondram-panjakana fa izay ihany no mba efa nivaly 100%. Andrasana fatratra ny volavolana didim-pitondrana miisa 5 ho fampiharana ny sata mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ho fanitsiana ny lalàna momba izany voarakitra anaty laharana 2021-005 ny 24 jona 2021. Ny didim-pitondrana miisa 5 no fototra iorenan’ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Azo lazaina hoe raha miisa 9 izany ny fitakiana nataon’ny SECES dia miisa 2 monja raha be indrindra no efa novalian’ny fitondram-panjakana. Ny faran’ny volana septambra teo vao tonga tety anivon’ny oniversite ny famatsiam-bola ny taom-pianarana 2022-2023, izany hoe 3 volana mialohan’ny fahataperan’ny taom-pianarana. Takiana ny fanomezana izany ara-potoana satria fampandehanan-draharaha ety amin’ny anjerimanontolo no ilana izany fa tsy filam-boa tsy hary akory, sanatria, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique