airtel

Fampianarana

19-juil-2024

Fonenana manara-penitry ny mpianatra eny Ankatso

«Tsy misy rano sy herinaratra hatramin’ny novambra 2023»

Sample post image

Nidina an-dalambe omaly ireo mpianatra mpikaroka mipetraka eny amin’ny Cité R+1 eny Ankatso.

19-juil-2024

Antony, hoy ny fanazavan’ireto mpianatra ireto, dia noho ny tsy fisitrahanay rano fidiovana. Tsy misy rano eny, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Ilaina nefa ny midio ary ilaina koa ny rano amin’ny fandrahoana sakafo. Tsy mahazaka ny herinaratra raha samy mampiasa solosaina avy, ohatra, ny isam-baravarana. Lasa tsy zarizary ny fianarana satria jiro fotsiny izany no zakan’ny herinaratra. Efa hatramin’ny novambra 2023 ny vehivavy nipetraka tao no tsy nisy herinaratra, tsy nisy rano. Ny fotodrafitrasa nefa lazaina fa manara-penitra. Ny faran’ny volana janoary no nanomboka niditra io trano vaovao io ny lehilahy dia toy izany ihany koa no niainana. Ety amin’ny Bloc ety ambony no maka rano ny vehivavy nefa somary misedra fifamaliana amin’ny Bloc sasany ihany hoe ianareo aza maka rano aty. Ny lehilahy ao amin’ny R+ 3 no maka rano. Tsy avelan-drizareo miditra ao intsony koa nefa izahay izao dia efa tsy misitraka rano intsony. Ny R+ 1 dia ahitana varavarana miisa 40 azy ny farany ambany sy ireo rihana miisa 2. Misy olona miisa 2 avy mipetraka isaky ny varavarana. Efa nisy fitarainana sy fangatahana nalefa, raha ho an’ny lehilahy manokana, niantefa tany amin’ny minisitera tany amin’ny volana martsa tany ho any saingy tsy nivaly hatramin’izao. Mandoa latsakemboka isan-taona nefa izahay. Nisy 1 naratra izao tety tamin’ny alina. Miantso ny fitondrana mahefa dia ny minisitera sy ny CROU-A hamaha ity olanay ity fa tena mampalahelo. Tsy misitraka izay isitrahan’ireo mpianatra hafa samy anaty Cité na fonenan’ny mpianatra akory izahay, na dia samy eto Antananarivo ihany aza, hoy hatrany izy ireo. Araka ny fanazavan’ireo solontenan’ny mpianatra avy amin’ny faritra miisa 23 eto Madagasikara kosa dia olana miverimberina izy ity. Efa nisy, hoy ny fanazavana, ny fifampiresahana teo anivon’ny CROU-A na sampan-draharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra sy ny minisitera fa ho vahana anaty 2 volana ny olana. Martsa izany no nitranga, volana jolay isika izao tsy hita ihany. Lazaina fa manara-penitra nefa ny trano. Miantso ireo tomponandraikitra izahay mba hamaha haingana ny olana. Maro ankoatran’izay ny olana sedrain’ireo mpianatra ireo. Misy efa nipetraka tao taloha fa voatery lasa misisisisika any amin’ny namany any noho ny tsy fahampian’ny efitra intsony. Miankina amin’ny famahana ny olana hitranga, noho izany, hoy hatrany ireto mpianatra ireto ny mety ho tohin’izao hetsika fitakiana ataonay izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

Tsy vao izao no nahenoina ny hoe efa tsy mpianatra ety intsony kanefa dia mbola mipetraka amin’ny fonenan’ny

Card image cap
18-déc-2024

Nanao fangatahana miantefa amin’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana

Card image cap