hoy ny mpanabe sady mpampianatra mpikaroka, Geneviève Ramakavelo. Be dia be ny tanora eto amintsika, hoy izy. Be dia be koa no tsy an’asa nefa hoe nianatra ary misy aza ny hoe tonga any amin’ny anjerimanontolo. Ny antony dia satria tsy mahafantatra ny zavatra mahaliana azy ireo ankizy. Tsy mifanentana amin’izay ilay fampianarana. Mihena ny lojika ao amin’ireo ankizy hoy ireo mpampianatra ankehitriny. Ohatran’ny manao dika mitovy na «copie coller» ny ankamaroany. Rehefa misy fanadinana dia izay laza adina mitovitovy no ampianarina fa tsy misy lojika intsony. Mampalahelo ilay izy dia rehefa miditra amin’ny asa ianao dia sarotra be ilay lojika. Be dia be amin’ireo mpampiasa no tsy mahita ilay lojika tadiavina any amin’ny toeram-pampiasana ao amin’ireo nandranto fianarana teto Madagasikara. Izay hahafahana fanadinana no maha maika. Hatrany amin’ny fanabeazana ambany indrindra izany no dikan’izany no tsy napetraka ilay lojika ho an’ilay zaza. Be dia be ny hoe manoratra eny amin’ny solaitrabe dia manao tsianjery. Izay no ilazako hoe marary ny fampianarana. Tsy misy ifanomezan-tsiny ilay izy fa tena zava-misy satria ahoana moa no ahafahanao mampiresaka na mampanana lojika ankizy 60 isa anaty lakilasy iray? Tsy asian’ny fanjakana sira ny fampianarana. Mba jereo hoe firy isan-jato ny tetibola natokan’ny fanjakana ho an’ny fanabeazana? Vao naheno aho izao ny 2 septambra teo hoe nampitomboina indray ny isan’ny polisy. Tsy tokony ny fampianarana ve no vatsiana misimisy? Tsy hoe tsy ilaina ny fitandroana filaminana fa nampianarina koa ireo olona ireo. Nisy fanabeazana ireo matoa tonga eo. Tsy maintsy ny any ifotony aloha izany no tohanana. Firy amin’ny tanora nahavita fianarana no mahita asa eto Madagasikara? Raha mahita asa izy, manao ahoana ny karamany mihoatra amin’ny fahaizana ananany, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija