airtel

Fampianarana

01-juil-2024

Hanala azy vita BEPC

Mampitandrina ny zandary

Sample post image

Mampitandrina ny zandary amin’ity ditran’ny ankizy ankehitrio ity. BEPC tsy am-paosy akory ka hanala azy aho

01-juil-2024

hanala azy, hoy ny fanentanan’ny CIRGN Antananarivo! Azafady, hoy ny fanentanana, fa any anaty biraon'ny zandary ianareo no miandry ny valin'ny BEPC-nareo raha vao mitapitapy eo. Aza tratra any anaty «Bar» na «Chambres», hoy ihany ny fananarana, fa dia ho hitanareo eo tokoa! Sao dia hoe vita ny taranja anglisy amin’ny alakamisy dia ny alikaola sy ny sipa sahady no hanalana azy? Ny ray aman-dreninareo sasatry ny manome 1000 Ariary atao ody ambavafo na «goutté». Mitotototo mihitsy, hay hangoninareo hisotroana toaka sy ampirevena sipa sahady na hoe hanalana azy! Mbola tsy fotoanan’izany izao. Aoka aloha rehefa miasa. Rendrarendra sy fahafinaretana ve no atao vao vita ny fianarana? Ny ankamaroanareo anie ry zandry ka mbola zaza tsy ampy taona daholo e! Tsy misy manana karatra akory. Mety hoe marina ny anareo fa hoe mba maka rivotra kely rehefa vizaky ny fianarana herintaona ngarangidina. Mba mivoaka kely miaraka amin'ny namana sy mitsangatsangana. Tsy maninona!Mety raha izay. Tsy olana. Fa ny hoe ho any amin’ny «Bar» sy «Chambres» kosa, ataovy moa. Tsy hatao antony hampiarahana amin'ny sipanareo ny fahavitan'ny BEPC. Tsy ataonareo fika hidirana Bar. Mananatra anareo ny zokinareo zandary,hoy hatrany ny fananarana sy fampitandremana nataon’ny zandary!

J. Mirija
 

Dans la même rubrique