airtel

Fampianarana

22-juin-2023

Fampianarana

Hanangana « Cellule de crise » ny SECES • Tsy mila fitanisana dingana fa vahaolana

Sample post image

Ambany vahohon’ireo tsy Malagasy ny firenena

22-juin-2023

Namoaka fanambarana hentitra namaly ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Sendikan’ny Mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo, manoloana ny fitakian’izy ireo an-taonany maro tsy mbola tena mivaha. Nanamafy fa manaja tanteraka antsakany sy andavany ny Fehin-kevitry ny Filankevi- pirenena SECES natao ny 08-09 jona 2023 lasa teo ary manantitrantitra vokatra mahafa-po sy azo tsapain-tanana amin'ireo fitakiana voarakitry ny Fehin-kevitry ny Filankevi-pirenena. Raha tsiahivina dia nanambara ny hampiato ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana ny SECES aorian’ny 26 jona, raha tsy misy valiny azo tsapain-tànana sy mahafa-po ny fitakian’izy ireo. "Tsy fitanisana ny dingana nolalovan'ireo tompon'andraikitra fotsiny ihany no andrasan'ny SECES, fa ny karaman'ny « vacataires » ; ny « Indemnités de Recherche et d'Investigation »" ho an'ireo "Retraités chercheurs" ; ny ora fanampiny na ny "Heures Complémentaires" ho an'ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra taom-pianarana 2018-2019, 2019-2020 ary 2021-2022; ny vokatry ny "03 décrets"; ny famoahana an'ireo didim-panjakana miisa 05; ny "titularisation" an'ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mangataka ho "Professeur Titulaire"; ny "reclassement"; ary ny fibodoana ny tanin'ny Oniversite, ny Foibem-pikarohana Nasionaly, sy ny faritry ny toeram-ponenan'ny mpianatra », hoy io Sendika io. Manamafy ny fe-potoana tapaka nandritra ny Filankevi-pirenena hamalian'ny fitondram-panjakana ny fitakian'ny SECES ireo zo sy hasiny ireo hatramin' ny 30 jona 2023. Andrasan'ireo mpampianatra mpikaroka, Sampana Antananarivo noho izany ny hamahan'ny Minisitera mpiahy azy ny olan'izy ireo ao anatin’ny 10 andro. Hiroso amin’ny fivoriam-be miaraka ny SECES manerana ny Nosy raha tsy mivaly ny fitakiana.
MAHANTRA NY VAHOAKA, MANITSAKITSAKA LALANA NY MPITONDRA,…
Momba ny raharaham-pirenena, satria manjaka tanteraka ny gaboraraka, ny fahantrana lalina iainan'ny vahoaka tsy mandady harona, ny tsy fahandriampahalemana, ny fanitsakitsahan'ny mpitondra ny Lalàmpanorenana, ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena,... ary indrindra indrindra, ny fanohintohinana ny maha masi-mandidy ny vahoaka Malagasy eto amin'ny tanindrazana sy ny fahaleovantenany, dia hanangana "Cellule De Crise" faran'izay haingana ny SECES, ary hamoaka tsoa-kevitra hamahana ny olana marolafy maharendrika ny firenena ao ambany vahohon' ireo tsy malagasy, hoy hatrany ny Birao SECES, Sampana Antananarivo. Asa na fifandrifian-javatra ihany na mety fomba hoentina mamilivily ny sain’ny rehetra tsy hifantoka amin’itony fanatsikafonan’ny SECES ny tsy fahombiazana samihafa ilay horonantsary miendrika fanaovana firaisana ara-nofo tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny oniversiten’Antananarivo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap