airtel

Fampianarana

05-juil-2024

JONQUILLE – SEKOLY MANDRAY ZAZA OTISTA

Kilan’ny afo ny tranon’ny tale, mangataka fanampiana

Sample post image

Kilan’ny afo ny tranon’ny tale sady mpanabe ny sekoly Jonquille izay mandray an-tanana

05-juil-2024

ireo zaza otista tena sahirana eto Antananarivo. Afak’omaly Alarobia 03 Jolay no nitrangan’izany. Nandritra ny taona maro dia nandray hatrany ireo zaza otista maro tsy nisy nety nandray intsony ny sekoly. Trano hazo hatrany ny foto-drafitrasa nampiasaina saingy manaraka ny fenitra kosa ny fampianarana hatolony ary nanome fitiavana hatrany ireo natositosiky ny hafa hoy Ramatoa Tale. Tena manao adidy lehibe eto amin'ny firenena ho an'ny ankizy hafakely ity talen-tsekoly iray ity noho izany. Zaza otista an-jatony no efa nokarakarainy sy noraisiny an-tanana. Miantso ny rehetra mba hifanome tanana aminy izy noho izany hahafahany mihoatra amin’izao fahasahiranana mianjady aminy izao. Ny laharam-pinday 0343880473 no hahazoana azy sy mifandray aminy ary misy handefasana ny tolotanana Mvola. Amin’ny anaran-dRamatoa Mbolatiana Lasasoa Razanaparany izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay trano may !

 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap