airtel

Fampianarana

19-juin-2024

KAOMININA AMPITATAFIKA

Notolorana sakafo masaka avokoa ny mpanala CEPE

Sample post image

Misy amin’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly no tsy nihinana

19-juin-2024

afa-tsy tapa-mofo kely sy rano noho ny fahasahiranana. Tranga tsy vao omaly ihany io fa matetika isan-taona mihitsy, antony nanosika ny Ben’ny tananan’ny kaominina Ampitatafika Rado Ramparaoelina hampiditra ny fampisakafoanana mpiadina manala CEPE ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka. Omaly Talata 18 Jona ohatra dia mpiadina miisa1505 niadina tao amin’ny CEG Fihavanana sy Lisea Ampitatafika Rado Ramparaoelina samy ao anatin’ny Fokontanin’i Faliarivo no notolorany sakafo atoandro masaka niaraka tamin’ny yaourt sy bisikoitra. Niparitaka tamina efitranom-panadinana miisa 28 izy ireo ka ny 4 tao amin’ny lisea raha tao amin’ny CEG avokoa ny 24 ambiny. Nanohana ny kaominina tamin’ity taona ity ny Fondation HV sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona moa izy ity. Tanjona amin’izany moa ny mba hahafahana manampy ireo fianakaviana sahirana sy hitovian’ny sakafo hohanin’ny mpiadina rehetra. Tsy latsa-danja amin’izany ny mba hahafahana manatsara hatrany ny voka-panadinana ho an’ny ZAP ao Ampitatafika.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nizara sakafo sy yaourt !
 

Dans la même rubrique