mihitsy amin’izao fotoana izao ny fahafahana manabe ny ankizy sy ny tanora, tsy eto Madagasikara ihany, fa manerana izao tontolo izao mihitsy, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina, Eddy Jean Philippe. Efa tsy mitombina intsony izany izao, ohatra, hoy izy, ny hoe «Zanaka tiana tsy hitsitsiana ratsan-kazo!». Ny fiarahamonina mihitsy no efa lasa manameloka ireo ray aman-dreny mbola tratrany mampihatra izany fomba fitaizàna izany ary mialohan’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena mihitsy raha mijery isika ireo tranga maro efa vaky ambatolampy teny anivon’ireny tambazotran-tserasera sy haino vaky jery samihafa ireny. Heverina, noho izany, fa tokony iverenana jerena ihany ny atao hoe «fitaizàna» sy ny atao hoe «herisetra» satria raha ny rafi-piarahamonina iainantsika amin’izao fotoana izao no jerena dia io lasa mampivarilavo ny ankizy, indrindra, ny tanora toy ny tanora malagasy io. Mirongatra ny karazana tsy fandriampahalemana. Hanao ahoana izany ny hoavin’ny firenena raha toy izao iaraha-mahita ankehitriny izao ny afitsoky ny tanorantsika nefa hoe ny tanora no hoavin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavàna sy fanontanian’ity mpandinika fiarahamonina ity?
Nangonin’i J. Mirija
Tena misy ifandraisany ny tsy fandriampahalemana mirongatra sy ny fanabeazana mitotongana
Hatramin'izay dia ny CNAPMAD no manao tonta printy sy colisage isaky ny CISCO .