tamin’ny alalan’ireo Fikambanana ara-pedagojika omaly. Olana mateti-piverina ny vatsim-pianarana. «Mbola maro ny mpianatra izay tsy nisitraka vatsim-pianarana, ka vahao ny olan’ireo ankizy. Tsy hanaiky ny hanaovana izany ho very an-javona toy ny tamin’ny taon-dasa. Nampanantenaina izahay, ary navoaka tamin’ny filankevitry ny Minisitra mihitsy fa ny volana jolay no handoavana ny vatsim-pianarana volana faha-4-5-6, kanefa amin’izao efa hifarana ny volana mbola tsy misy na inona na inona, mbola tsy misy tetiandro, tsy mbola misy fandoavana vola », hoy ireo mpianatra. Tsy ekenay izany, mbola mianatra izahay kanefa ampanantenaina poakaty, ary zavatra nolazaina tamin’ny filankevitry ny minisitra mihitsy. 9 volana ny taom-pianarana, ary efa 6 volana izay no nianarana, 3 volana ihany ny vatsim-pianarana noraisina, hoy hatrany izy ireo. Notsiahivina fa nisy ny fanomezan-tokin’ny Minisitera fa ny 7 jona no handraisana ny 3 volana manaraka kanefa efa jolay izao. Talohan’izay efa nisy fampanantenana natao ambony latabatra fa tsy maintsy havoaka mialohan’ny bakalorea ny fandoavana an’io 3 volana manaraka io, ary alohan’ny taom-pianarana ny fandoavana ny 3 volana farany, saingy hatramin’izao tsy misy, hoy hatrany ireo solontenan’ny mpianatra naneho fa afa-baraka eo anatrehan’ireo mpianatra rehetra satria mba olon-dehibe ihany niteny azy ireo ny fampanantenan’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Mbola misy 3000 mahery ihany koa raha ny tatitr’ireo mpianatra no mbola tsy nahazo vatsim-pianarana sy fampitaovana hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana, ary na ny vatsim-pianarana tamin’ny taom-pianarana talohan’izao aza mbola misy tsy nahazo. Mino izahay fa olon-dehibe ianareo ao amin’ny governemanta fa tsy zazakely, ka olona matotra tsara, ka mila vahana izay olana izay, mila hajaina ny tetiandro », hoy ireo mpianatra. Nitondran’ny mpianatra fanamarihana ihany koa ny resaka fahadiovana, ny fahatapahan’ny rano izay nomarihin’izy ireo fa tsy nahavaha olana ny Jirama no tonga teny aza, ny toeram-pivoahana efa tena mahamenatra noho ny loto ateraky ny tsy fisiana rano,… Tsy sitraponay ny hidina an-dalambe, fa tena efa mihoam-pefy ny tsy firaharahiana anay mpianatra, ny fanomezana toky fitaka anay, ka marary loatra, indrindra izahay eny amin’ny politeknika, hoy ny Filohan’ny mpianatra eny an-toerana. Leo fampanatenana poakaty izahay, hoy izy ireo, izay naneho fa efa ela no nilazana fa hamboarina ireo toeram-ponenana miisa 32 kanefa hatramin’izao tsy mbola nisy fandraisan’andraikitra na kely aza, na tao anatin’ny fitakiana tao anatin’ny 5 taona, ka miantso ny fitondram-panjakana mba hijery izany satria na miditra amin’ny WC aza mitondra elo ny ao ambany satria mitete ny ao ambony. Raha tsy mivaha ny olana dia tsy maintsy hidina an-dalambe izahay, hoy ireo mpianatra
Toky R