airtel

Fampianarana

21-août-2024

Marary ny fampianarana

Misy sekoly mitovy amin’ny tranom-borona

Sample post image

Tena mampalahelo ny trano fianarana ao Toliara ao. Hazokely maromaro no natambatra natsangana ho rindrina

21-août-2024

tahaka ny tranom-borona hianaran’ny mpianatra manodidina ny 150 isa any ho any izay mifandimbindimby. Ao amin'ny Fokontany Anjapototse, kaominina ambanivohitr’i Marolinta, distrikan'i Beloha Androy no misy azy io. Henatra ho an’ny firenena iray manontolo ny fisian’ny foto-drafitrasa tahaka izao, indrindra fa mahakasika ny sehatry ny fanabeazana. Tsy tokony hatao ambanin-javatra mantsy ny fananganana trano fianarana izay hiankinan’ny ho avin’ny taranaka iray manontolo. Fahalalana rahateo no ratovona ao anatin’izany ka tokony hahafinaritra sy hahatamana ary mahate-honina izy ireny fa tsy mampalahelo sy mampahonena tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay trano fianarana !
 

Dans la même rubrique