airtel

Fampianarana

13-juin-2024

Mpampianatra any

Ambatofinandrahana « Nosoloina olon’ny IRMAR ny Chef Cisco mamy hoditra »

Sample post image

Nesorina ny chef Cisco anay Razafimpirenena Bien Aimé izay mamy hoditra amin’ny

13-juin-2024

mpampianatra ary nosoloina ny mpanolontsaina ara-pedagojika Rafanomezanjanahary Tantelimahafaly Paul, hoy ny mpampianatra any Ambatofinandrahana. Izy moa dia tena nanery ny mpampianatra tsy maintsy mifidy ny kandidam- mpanjakana, ka vita ny «mission » na iraka ara-politika nampanaovina azy, dia io izy natao chef Cisco io, hoy ny fampitam-baovao marim-pototra. Izahay aty efa nahavita ny fivoriana savaranonando na « réunion préliminaire » mikasika ny CEPE, efa samy manana ny andraikiny avy dia tsy fantatra indray izay ho ataony, hoy hatrany ireo mpampianatra. Nisy aza ireo nanatrika fotsiny ny fampielezan-kevitra nataon'ny Flilohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa dia efa nahazo fampitandremana na « avertissement » ankolaka, hoy hatrany ireo mpampianatra. Anio dia anio ihany dia handeha ny fifamindram-pahefana, raha ny loharanom-baovao. Miharihary hatrany ny filalaovana ny fampianarana amin’ny politika, izay endrika famotehana hatrany ny fanabeazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap