airtel

Fampianarana

17-juil-2024

MPIANATRA AO BARIKADIMY TOAMASINA

Takian’ny sasany ny tsy hikambanany trano amin’ny foko hafa

Sample post image

Roa herinandro amin’ity herinandro diavintsika ity ny grevin’ireo mpianatra ao Barikadimy Toamasina.

17-juil-2024

Resaka fitakiana vatsim-pianarana mikasika ireo "Zéro solde" sy "Introuvable" tonga eny amin'ny paositra no niandohany. Mihitatra amin'ny resaka trano fonenana indray izany amin’izao. Mizara roa ny fitakiana raha araka ny vaovao azo ary samy manana mpitarika avy izy ireo. Misy ny andian'ny mpianatra mangataka sady mitaky trano ho an'ny foko misy azy tsy hitambatra amin'ny foko hafa fa omena cité manokana zareo izy ireo. Etsy an-kilany kosa misy ny mitaky ny mangaraharaha amin'ny resaka vatsim-pianarana. Mihafara amin'ny fanidiana ny birao sy ny fianarana anatin’ny oniversite izany isan’andro. Tsy misy mandeha araka izany ny raharaha fampianarana rehetra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. Nifampitazana teo amin’ny vavahadin’ny Cur ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana omaly Talata 16 Jolay.
Pati
Legende : Mitokona tahaka izao ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina isan’andro !

 

Dans la même rubrique