airtel

Fampianarana

13-août-2024

Mpianatra, mpampianatra,

oniversitem-panjakana

Sample post image

Tondroina ho mersenera politika mpanakorontana, mandany vola…

13-août-2024

Lasa napetraka eo anivon’ny filalaovana politika ny tanora Malagasy, ary anananay porofo tokoa ny fitsofohan’ny mpanao politika amin’ny fanakorontanana ny Firenena, fa indrindra indrindra ny tanora Malagasy. Ny fitsinjovana ireny tanora ireny no mahatonga ny Fitondram-panjakana tsy manambotra azy, fa fantatray ny toerana misy ny fivorivoriana, fantatray ny vola izay omena ireny tanora ireny hanakorontanana ny eny anivon’ny anjerimanontolo », hoy ny setriny avy amin’ny Praiminisitra manolana ny grevy matetika eny amin’ny oniverisitem-panjakana. Nambara fa efa miditra amin’ny « digitalisation » hahafantarana ireo mpisitraka vatsim-pianarana, saingy tsy mahafaly ny maro. Ny fanaovana ny lisitra avy amin’ny Oniversite no miteraka ny fahatarana, fa tsy ny Minisiteran’ny vola na ny Minisiteran’ny fampianarana ambony no tsy te handefa ny vola. Ny zavatra miseho dia hoe : ratsy fitantanana ny oniversite, ary hatramin’izay ny vatsim-pianarana dia natao tantely afa-drakotra, tsy tonga any amin’ny mpianatra akory, fa very miala aty anivon’ny Minisiteran’ny vola sy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fitantanana ny oniversite. Handeha ho aiza ny fizakantenan’ny oniversite na « Autonomie universitaire » tokony hatao amin’ny Oniversite Malagasy ? hoy hatrany ny Lehiben’ny governemanta. Raha tsy hiara-hiasa fa hanao sakana ny oniversite dia olana izay, ka aoka hahitsy mba ho fanta-bahoaka ny zava-misy, hoy ny Praiminisitra. Tokony hisy fomba fijery sy lalan-tsaina, ka ny ezaka dia atao any amin’ny « excellence ». Te hiditra amin’ny hoe : izay tena mahay ihany no homena vatsim-pianarana ve ny Fanjakana ? Nambaran’ny Praiminisitra rahateo fa hahafahana manana ambim-bava 28 hatramin’ny 30 miliara Ar isan-taona no lany amin’ny vatsim-pianarana. Momba ny volan’ny mpampianatra amin’ny HR (Heures Complémentaires), nolazainy fa efa nisy resaka goavana napetraka mikasika ny fotoana angatahana ny mpampianatra hampianatra na ny ora tokony hampianarana. Adihevitra misokatra ny hoe : firy ora marina no tokony hampianarana hitazonana ny karama anatin’ny taona iray ? Raha kely, ohatra, manodidina ny 200ora isan-taona, dia kely izany, raha ny filazany. Nambara fa lasa ny ora fanampiny no handaniana vola sy fotoana, ka misy mpampianatra manana 6000ora fanampiny. Lasa vola tsy toko tsy forohana no aloa amin’ny mpampianatra amin’io « ora fanampiny » io. Nambara fa tsy tokony hatao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana. Nomarihiny fa tsy tokony hahazo « maintien » ny olona tsy nanao fikarohana akory, ary tokony ho olona manana « Doctorat » farafahakeliny na HDR (Habilité à diriger des Recherches) na « Maitre de conférence » na Profesora, hahafahana mampiakatra ny lenta. Asa hanao ahoana ny mety ho setriny avy amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony eo anatrehan’ireo voalazan’ny Praiminisitra izay ekena fa misy mitombona fa misy ihany koa ny tena fiampangana mivantana ny mpianatra, ny mpampianatra, ny Fiadidian’ny oniversite ? Dia tena ireo tokoa ve no olana sa ny tsy fahaiza-mitantan’ny governemanta no isan’ny tena fositra ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique