airtel

Fampianarana

28-août-2023

Fampianarana

Oniversiten'i Fianarantsoa Atsahatra 15 andro ny fampianarana

Sample post image

Noho ny fanatanterahana ny Lalaon'ny Nosy eto Antananarivo, ary mba mba hahafahan'ireo mpianatra mandray anjara amin'ny

28-août-2023

taranja sy hetsika samihafa mifandraika amin'izay, dia nanapa-kevitra hanatsahatra tanteraka ny fampianarana rehetra ao amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny Filohan'ny oniversite any an-toerana, araka ny fanapahan-kevitra noraisiny ny herinandro lasa teo. Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka ny zoma25 aogositra izy ity. Nambara ihany koa moa fa mba hiantohana ny filaminan'ny fandraisana vatsim-pianarana. Fifandrifian-javatra ihany ve hoe: ny andron'ny nisian'ny grevy nangotraka teny Ankatso no nivoahan'ny fanapahan-kevitr? Ny SECES Sampana Fianarantsoa rahateo namoaka fanambarana ny 23 aogositra taorian'ny fivoriambe niarahan'ny Mpampianatra-Mpikaroka rehetra tsy an-kanavaka, fa hamafisina ny hetsika fitakiana manomboka ny herinandron'ny 28 aogositra 2023 izany hoe: manomboka anio ka hatsahatra avokoa ny asa fampianarana na “activités pédagogiques” rehetra (fampianarana, fanadinana, fanohanana ny vokam-pikarohana) sy ny asa fikarohana rehetra ao anivon'ny oniversiten'i Fianarantsoa. Nambaran'izy ireo fa hisy ny fihaonana sy fampahafantarana manokana hatao ho an'ny Mpianatra, hitondrana fanazavana fanampiny ho azy ireo. Ny mpianatra ihany koa efa manomboka sosotra eo anatrehan'ny fikatsoana lava. Iray andro taorian'ny fivoriana nataon'ny SECES no nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Filohan'ny oniversite. Tsy eto Antananarivo ihany no olana raha raisina amin'io fa ny any amin’ny oniversite hafa ihany koa. Ny eny Ankatso moa dia hitohy anio 28 aogositra ny “Sit-in” rah a ny nambaran’ny SECES Antananarivo. Fa inona marina ny sakana tsy hamahana ny olana? Mbola misy lanjany amin'ny fitondram-panjakana ve ny tontolon'ny fampianarana ? Hatao takalon'aina hatrany ve ny zanaky ny sarambabem-bahoaka ? Adino ve fa ny resaka fampianarana no nampipoaka ny raharaha 1972?
Toky R
 

Dans la même rubrique