airtel

Fampianarana

02-oct-2024

Oniversiten’Antananarivo

Mampikolay ny fikarakarana taratasy

Sample post image

Mampitaraina hatrany ny mpianatra sy ireo manan-draharaha eny anivon’ny Ofisin’ny

02-oct-2024

bakalorea eny Ankatso ny fakana ny taratasy fanamarinana ny fahafahana tamin’ny fanadinam-panjakana na "Certificat de réussite" ao amin'ny Oniversite. Tahaka izany ihany koa ny fikarakarana ny diplaoma izay am-bolana vao mivoaka. Efa mahatratra an-kilaometatra ny filaharana, toy ny niseho omaly, ka velon-taraina ireo mpianatra sy mila raharaha eo anatrehan’izany. Voafetra ihany ny isa raisina, voafetra ny fotoana hahafahana mametraka ny fangatahana,… Endrika maneho sy manamafy ny fahasarotana amin’ny fikarakarana taratasy amin’ny raharaham-panjakana na « lourdeur administrative » eto amintsika ny tranga tahaka izao, izay tokony hijerena vahaolana maharitra. Ny tahaka izao no manamafy fa ilaina ny fampiasana sy fifehezana ny tontolon’ny teknolojia, ny « digitalisation », ny tetikasa momba ny nomerika hoenti-manatsara ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny fahasarotana tahaka itony ihany koa mantsy no varavarana misokatra makany amin’ny kolikoly izay tena azo vahana azo hamoraina sy azo hamoraina raha tena misy ny finiavana sy fahavononana hamaha olana.
Toky R
 

Dans la même rubrique