airtel

Fampianarana

30-juil-2024

Pan-African Robotics Competition 2024

Norombahin’ny Malagasy ny laharana faharoa

Sample post image

Namiratra indray ny Malagasy ! Voahosotra ho tompondaka lefitra aty Afrika ny ekipa Malagasy Robotiako

30-juil-2024

tamin'ny fifaninana "Pan-African Robotics Competition 2024" na ny PARC 2024 natao tany Sénégal ny 22-28 jolay teo. Lohahevitry ny fifaninana tamin’ity indray mitoraka ity ny hoe : « The future is now » na ny hoe : ny «Ny ho avy dia ny ankehitriny ». Nibata ny laharana faharoa tamin’ireo ekipa teo amin’ny 95 nahitana tanora hatrany amin’ny 2800 avy amin’ny firenena Afrikanina 25 ny ekipa Robotiako nahitana an-dRandrianarison Faly Chritstian (Team Leader), 3ème année en Mathématiques et Informatique (Oniversiten'Antananarivo) ; Maminiaina Herizo, 2ème année en Télécommunication (ESPA Vontovorona), Mecenni Avotriniaina, 2ème année en Electronique (ESPA Vontovorona) ; Randrianjatovo Tahiry Manatsiory, 1ère année en Design (IT University Andoharanofotsy) ; ary Law Antony (mentor), ingénieur en Automatisme et Informatique (ESPA Vontovorona). Fifaninanana sy fanehoana fahaiza-manao, fanehoana ny fahaiza-mamorona, fifampizarana no isan’ny nanamarika ny fifaninana. Notakiana tamin’ireo mpifaninana tamin’ity ny famoronana « robot agricole » na « AgRobot » ahafahana mandrindra amin’ny fomba mahaleotena ny fambolena, ary hahafahana mikajy ny vokatra amin’ny alalan’ny solosaina. Miharihary ary voamarina hatrany fa tena mahiratra ary sangany ny Malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny teknolojia tahaka itony, ary tsy amin’io ihany fa amin’ny sehatra samihafa. Porofo maneho sy manamafy fa tsy vitan’ny manan-talenta ny manam-pahaizana ny tanora Malagasy, fa miakatra ihany koa ny lenta sy fahaiza-manaon’i Madagasikara amin’ny tontolon’ny robotika na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra Afrikanina sy maneran-tany mihitsy satria tsy vao sambany isika no nahitana vokatra tsara tahaka izao. Tsy arakaraka ny olana nosedraina hatrany am-boalohany noho ny hoenti-manana ka saika naha raraka ny ekipa Malagasy, fa vao mainka lasa fanoitra nentin’izy ireo naneho ny fahaiza-manaony sy nampiakatra avo ny voninahi-pirenena ny fifaninanana. Miarahaba, ary mirary hatrany ireo tanora ho lasa lavitra sy hivelatra isika.
Toky R

 

 

 


 

Dans la même rubrique