airtel

Fampianarana

16-août-2024

Pr Marcellin Andriantseheno

«Mianjera ny sivilizasionina tandrefana, mba ho aiza i Madagasikara?»

Sample post image

Niverina nitsabo aho, hoy ny Pr Marcellin Andriantseheno, mpitsabo ny mikasika ny aretina momba

16-août-2024

ny loha na « neuropsychiatre» no sady mpahaifiarahamonina sy filozofa. Tsy nanohy politika aho, hoy ity kandida filoham-pirenena teo aloha ity, satria izany politika izany amiko, raha raisina ny famaritana napetraky ry Platon tamin’ny androny, dia hanatsaràna ny olona, ny fiarahamonina, ny firenena. Rehefa mivoana amin’izay izany ilay politika, izany hoe fitadiavana fahefana, fitadiavana vola, fangalarana, hanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena dia mametraka adina jiolamboto, izany hoe fanjakàna fehezina miaramila na mpitsara voavidy sy ny karazany, dia tsy mety intsony izany ny hanaovako politika. Aleo ho an’izay mpanao izany politika Machiavelika izany na politika politisianina izany ilay izy. Politika nanasoa ny malagasy no nataoko satria izaho izany rehefa retirety dia niheritreritra fa mba nanao zavatra ho an’ity firenena ity. Raha tsy manao politika nefa dia lalaovin’ny mpanao politika. Malahelo aho ankehitriny fa ifandroritan’ireo mpilalao politika, dia ny mpanohitra sy ny mpitondra, ny firenena. Mitovy ihany ny tadiavin’ny mpanohitra sy mpitondra dia fahefana. Rehefa mitondra nefa dia hanao inona? Any ilay olana. Mianjera ankehitriny ny sivilizasionina tandrefana, raha mijery ny zava-misy maneran-tany isika. Nanomboka hatramin’ny atao hoe «monothéisme» na fivavahana iresahana Andriamanitra tokana io ka hatramin’io fihariana miankina fotsiny amin’ny fampirisihana olona hanjifa mba hahafahana mamokatra dia mamotika io dia tena hita mihitsy fa mianjera. Amin’ny lafiny fihariana izany izao dia misy karazana hery any amin’ireo firenena misandratra na «émergeant» toa an’i Chine, Inde, Japon sy ireo amin’ny BRINKS ireo. Tsy manaiky intsony ho tsindrian’ny eoropeanina sy amerikanina ary ny tariny izany ireo. Miezaka hanafaingana an’io fianjeran’ny sivilizasionina tandrefana io izany ireo izao. Ny mbola tsy hahafahan-drizareo manao an’izay nefa dia mbola miankina ara-toekarena koa izy satria i Chine izao, aiza moa, ohatra, no hivarotra ny entany raha tsy any Etazonia? Raha ho potika tanteraka izany ny tandrefana dia tsy afaka hivarotra ny entany intsony izy satria i Afrika tsy manam-bola. Na izany na tsy izany anefa dia efa mandeha ny fifanandrinana toy ny resaka tsy fampiasana Dolara intsony na «dédollarisation». Hanakorontana ny toekarena maneran-tany io. Ny amerikanina tsy hanaiky mihitsy ny ho resenao fotsiny amin’izao. Rehefa mitady ho resy izy dia miantsy fikorontanana faobe. Izay izao io ataony amin’i Okrainina sy Moyen Orient io. Io resaka israelianina io. Ao anatin’izany rehetra izany, mba ho aiza moa izany i Madagasikara izay entin’ireto mpanao politika malagasy ireto? Mba haninona? Ny malagasy dia tsy mahay afa-tsy mangataka. Mangataka fanampiana hatreto no fanaovana politikan’ny malagasy. Tsy mba misy eto hoe fijoroana manam-pahaizana miaraka fa lalaovin’ny olona fotsiny. Izay no nahatonga ahy hisafidy hoe aleo aloha aho hiasa fa ny malagasy izao tsy mety hiditra hopitaly intsony satria maty ho azy hoy izy ireo ny malagasy rehefa miditra hopitaly. Lany fotsiny ny vola. Tsy misy te hahalala intsony na ny fitondrana na ny Dokotera. Mirary soa ny malagasy aho mba ho tonga saina amin’izay! Hoy i Etienne De La Boetie, mpikaroka tamin’ny taonjato faha 16, hoe tsy ilàna hery ny fanandevozana vahoaka fa fampilalaovana sy fanomezan-javatra madinidinika sy sakafo dia lasa andevonao mandrakizay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique