eto amin’ny firenena, hoy ny mpanabe, provizoran’ny lisea Jules Ferry Faravohitra teo aloha, Rakoto Mahefarinoro William René. Ny voalohany indrindra, hoy izy, dia ny fanabeazana. Matoa tonga amin’ireny isika hoe tsy fandriampahalemana, mamono olona fotsiny, manatsatoka antsy dia heveriko fa tsy nanana fanabeazana ilay olona nanao izany. Tena tokony atao vaindohan-draharaha io fanabeazana io! Tsy miteny aho akory hoe tsy manao ny firenena na ny fiangonana fa io fanabeazana io dia tena miankina be dia be mihitsy amin’ny fivoaran’ny toetsain’ny ankizy sy ny tontolo iainany. Ohatra fotsiny izao ny hoe resaka Facebook sy ny tariny. Tokony hisy fampianarana mihitsy ireny hoe ahoana no fomba ampiasàna azy? Tsy ratsy io fa ahoana no ampiasana azy? Moa ve ilay olona manana fanabeazana fototra feno mamoaka ireny zavatra avoaka ireny? Tsy mahagaga raha misy ny fikorontanana sy tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenentsika. Tsy ny tsy fandriampahalemana akory no diso eo anatrehan’ny fanabeazana fa ny fanabeazana diso no mampisy tsy fandriampahalemana. Miainga amin’ny soratra masina aho hoe tsy hitsitsiana rotsan-kazo ny zanaka tiana. Tena mazava izay fa ilay izy fotsiny hoe raha ohatra ny fiarahamonina any ivelany no alaintsika tahaka hoe tsy azo atao intsony ny mikapoka sy ny toy izany dia manjary mandray am-bolony fotsiny isika hoe tsy azo atao intsony, hono, izany dia andeha koa tsy atao. Mahita aho anefa hoe raha kapoina ilay ankizy fa tsy amin’ny lohany fa ny tongony dia misy dikany iny satria ambony lavitra noho ny teny marary atao. Sarotra be moa ny hiteny hoe andao haverina ny kapoka na andao haverina ny sazy. Tsy azo atao moa ilay izy eo anatrehan’ny fanjakàna. Tao amin’ny sekoly notantananay nefa izahay ka miteny mafy dia ilay ray aman-dreny koa indraindray no tonga fofona hoe izahay aza tsy manao izany azy ka ianareo indray no sahala amin’izay. Mbola ilaina io tsora-kazo io. Izahay tamin’ny andron’ny vazaha tratran’izany kapohana izany ny rantsan-tanana sy ny toy izany fa nipetraka sy nahomby ilay izy saingy izao ny loha ihany no tsy tokony ho kasihina. Ny tena manabe voalohany aloha dia ny ray sy reny. Miainga ao an-trano io. Na amin’ny alalan’ny soratra masina na ny fanabeazana ny ankizy. Ny tena maika izao dia ny fampitomboana ny tetibola mikasika ny fanabeazana mba hahazoan’ny mpianatra fanabeazana sahaza, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hatramin'izay dia ny CNAPMAD no manao tonta printy sy colisage isaky ny CISCO .