airtel

Fampianarana

06-sept-2024

« SALON DES ETUDES SUPERIERURES » FAHA-21

Manome tan-tsoroka ho an’ireo vao afaka bakalorea

Sample post image

Miditra amin’ny andro faharoa anio Zoma 06 Septambra ilay hetsika “Salon des etudes Superieures”

06-sept-2024

andiany faha-21 karakarain’ny Madajeune. Etsy amin’ny tokontany malalaky ny Akoor digue Andohatapenaka no hanatanterahany izany izay misy trano eva manodidina ny 100 isa. Mampiavaka ity hetsika ity raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune ny fisian’ireo sekoly ambaratonga ambony manana ny maha-izy azy marobe izay samy manana karazana tolotra omena ny tanora mpianatra, indrindra fa ireo vao afa-panadinana Bakalorea. Anisan’izany ny oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana , ny centre de formation, ny institut superieure raha anisan’ny tokana sy miavaka kosa ny Oniveristem-panjakana ao Fianarantsoa. Tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahana manome toro-hevitra ny mpianatra amin’ny lalam-piofanana tokony hoarahiny indrindra fa ireo mbola misalasala. Toraka izany koa ireo mbola mila tohana sy fanampiana manokana mihitsy mba tsy ho diso lalana amin’ny fitadiavana ny asa tokony hataony rehefa any aoriana. Ho an’ireo mitady vatsim-pianarana ho any ivelany indray dia fantatra fa ny 20%-n’ireo mpandray anjara no afaka manome izany saingy tsy vatsim-pianarana iray manontolo kosa fa izay azony hatao ihany. Omaly moa no nosokafana tamim-pomba ofisialy ity hetsika ity.
Pati
Legende : Rajaonah Haingo, tompon’andraikitry ny Madajeune nandritra ny famoriany ireo mpandray anjara omaly maraina !
 

Dans la même rubrique