airtel

Fampianarana

12-sept-2024

SARAM-PIANARANA VOLANA SEPTAMBRA

Tsy mbola nahaloa izany ny 80%-n’ny Ray aman-dReny

Sample post image

Ny fahadimin’ny volana hitsahina farafahatany no fandoavana ny saram-pianarana ho an’ny

12-sept-2024

ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika. Tamin’ity volana Septambra ity dia tokony nifarana ny 05 Septambra lasa teo izany saingy mbola tena sarotra ny fandidiana. Raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray mantsy dia vao ny 20%-n’ny Ray aman-dReny no nahavita izany hatreto. Ny 80% dia mbola mangatak’andro sy miandry amin’ny faran’ny volana avokoa vokatry ny fahasahiranana nateraky ny fampidirana mpianatra nanomboka tamin’ny volana Jolay lasa teo. Tsy sekoly tsy miankina iray na roa no miaina izany fa maromaro mihitsy raha araka ny fanadihadiana natao. Mahatsiaro ho sahiran-tsaina ireo talen-tsekoly vokatr’izany. Ankoatra ny karaman’ny mpampianatra mantsy dia tsy maintsy hampandehanina ihany koa ny fiainana ao an-tsekoly toy ny fividianana fitaovana raha mbola misy tsy ampy, ny fikarakarana tsy maintsy hatao amin’ny foto-drafitrasa toy ny fandokoana ny trano fianarana….Na izany aza dia nilaza kosa izy ireo fa tsy hanaiky raha sanatria ka tratran’ny fandoavana ny saram-pianarana volana Oktobra ny saram-pianarana volana Septambra. Misy amin’izy ireo no nilaza hampitsahatra ilay mpianatra mihitsy raha tsy voaloha ara-dalana ny saram-pianarany.
Pati
Legende : Tsy hitan’ny talen-tsekoly ny hanaovana ireo mpianatra !

 

Dans la même rubrique