airtel

Fampianarana

16-oct-2023

SECES Antananarivo

“Afa-baraka tanteraka ny firenena!”

Sample post image

Niarahaba ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny SECES na Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka

16-oct-2023

mpampianatra, sampana Antananarivo, ny sabotsy 14 oktobra teo. Faly mankalaza ny daty nitsipahana ny fanandevozan-tany tamin’ny endriny mivantana, hoy izy ireo, ka nananganana ny repoblika malagasy! Arahaba satria ambaran’ny lalàmpanorenana fa vahoaka masi-mandidy eto amin’ny tany sy ny fireneny! Manana ireo famantarana ny maha firenena mahaleotena rehetra afa-tsy ny fialana eo ambanin’ny ziogan’ny fahantrana. Ireo no zontsika. Ireo no safidintsika ka tsy hanaiky hiverin-dalana ho entin’ny herim-panandevozana amin’ny endriny an-kolaka na amin’ny alalan’ny fitondrana vazaha an-taratasy intsony ny vahoaka malagasy ary mitaky tsy am-pihambahambana ny fananganana rafitra hisitrahan’ny mpiasa malagasy ireo harem-pirenena rehetra foin’Andriamanitra Andriananahary ho azy no sady nandatsahan’ireo razany ny rany nandritra ireo adim-pitolomana ka nahatongavana teo amin’izany repoblika malagasy izany. Sarobidy sy novidiana lafo loatra ny fiandrianam-pirenena ary izany rahateo no miantoka ny fandrosoana mipaka any amin’ny isan-tokantrano. Afa-baraka tanteraka ny firenena ary mitsanga-menatra ny manam-panahy satria mampiboridana tanteraka an’i Madagasikara ireo fanonganam-panjakana sy fanosihosena ny lalàmpanorenana miverimberina ataon’ireo samy anaty andrim-panjakana! Manainga ny vahoaka malagasy rehetra tsy an-kanavaka satria antsika rehetra i Madagasikara ary ireo taranantsika rehetra no ho vonjena mba samy hanaja sy hampanaja am-pilaminana sy am-pirahalahiana ny lalàmpanorenana antoky ny fiandrianam-pirenena izay nimatimatesan’ireo razantsika sy ireo manam-panahy rehetra hatrizay, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap