airtel

Fampianarana

02-nov-2023

SECES Sampana Antananarivo

“Melohina ny fanitsakitsahan-dalàna ataon’ireo mpisoloky fahefana”

Sample post image

Mitohy ny grevy satria tsy nisy ilay Filankevitry ny governemanta nantenaina hamarana izany,

02-nov-2023

hoy ny fanambaran’ny SECES Sampana Antananarivo eo anatrehan’ny toe-draharaha momba ny fitakian’izay ireo. Araka ny heno dia minisitra tokana sisa no mbola tsy nanasonia ireo volavolana didim- panjakana dimy (05) andrasan'ny SECES, raha ny tatitra nataon’izy ireo. “Aza atao takalon'aina na anaovana fifaninanana sy kajikajy politika ny SECES. Ny SECES, Sampana Antananarivo ihany koa dia mampitandrina ireo filoham-panjakana sasantsasany amin'ny fandrahonana sy ny antsonjay ataon'izy ireo amina mpitarika sendika sy amin'ireo mpiasa malagasy. Tadidio fa nampindramin'ny vahoaka fahefana fotsiny ihany ianareo. Sarotiny amin'ny fanajana ny tany tan-dalàna ny SECES, ka manambara etoana fa tsy hangina mihitsy na hitazam-potsiny eo anatrehan'ireo endrika fanitsak itsahana ny fiandrianam-pirenena, sy ny fampisaram-bazana ny Malagasy, amin'ny alalàn'ny fandinganana ireo lalàna velona sy ny Lalàmpanorenana, ataon'ireo misoloky fahefana », hoy io Sendika io tsy nitsitsy. Manameloka ny fanapotehana ny tany tan-dalàna satria izany no mahatonga ny firenena tafahitsoka lalina anaty krizy politika sy olam-pifidianana toy izao. Misy ny Lalàmpanorenana malagasy ifotoran'ny tany tan-dalàna izay hany antoky ny filaminana sy ny fitoniana, hoy hatrany izy ireo. Nahitsy io rantsan’ny SECES io nilaza fa, lasa kilalaon-jaza sy fanamparana hambom-po diso toerana sisa ny fitantanana ny raharaham- pirenena satria toa azo ovaina, ary novaina indray ny didy, efa naitrikitrika, fa tsy azo ivalozana. Nampahatsiahy izy ireo, fa tsy mbola mipetraka eto amin'ny tany sy ny firenena ireo fepetra takian' ireo lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena sy ny Lalàmpanorenana malagasy mba hahafahana manatanteraka sy miantoka fifidianana tsy mitanila, madio sy mangarahara, misy fitoniana ary eken'ny rehetra. Ny fiziriziriana hanatanteraka fifidianana amboletra dia midika ho fiarovana tombotsoan'olon-tokana sy fambolena korontana eto amin'ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny SECES Sampana Antananarivo. Mivory ny Sampana ny Zoma 03 Novambra amin' ny 09 sy sasany, ao amin'ny toerana mahazatra, ka andrasana indray ny tohiny mikasika ny fivoaran’ny toe-draharaha eny amin’ny anjerimanontolo sy ny fijerin’izy ireo ny raharaham-pirenena.
Toky R 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap