airtel

Fampianarana

12-sept-2023

SECES Tana-Faneken’ny HCC

ny firotsahan-dRajoelina “Lasa henatra ho an’ny oniversite namolavola ny mpitsara”

Sample post image

Nanambara ho tsy miombon-kevitra amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tamin’ny

12-sept-2023

fanekena ny firotsahan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina ny SECES Sampana Antananarivo, ary naneho fa lasa henatra ho an’ny oniversite izay namolavola ny mpitsara sy ny mpahay lalàna iny fanapahan-kevitra iny. “Ny SECES Sampana Antananarivo dia tohina tanteraka mahita ny fepetra sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy miombon-kevitra ary mametraka fa tany tan-dalàna, tsy misy ambonin’ny lalàna, tokony hajaina ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zomm-pirenena izay tsy misy hanombinana. Tahaka izany ihany koa ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenena”, hoy ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Samy Grégoire. “Misy olona efa nisafidy ny hanary ny zom-pirenena ka tsy tokony ho tafiditra anaty lisitra. Mahatsiaro menatra, ary manongo tena ny oniversite, mamolavola manam-pahaizana, namolavola mpitsara, kanefa zavatra mifanohiitra amin’izany no navoakan’ny HCC”, hoy hatrany io Filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra io. Niantso ny fahendren’ireo mpikamban’ny HCC vitsivitsy 5 na 4 sahy mijoro amin’ny fahamarinana moa ny tenany. “Miangavy anareo mba hametra-pialana tsy misy hatak’andro izay manao ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fandraisanareo fanapahan-kevitra araka ny tsy tokony ho izy, dia ianareo no tompon’andraikitra amin’ny hampilamina na hampikorontana ny firenena”, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.
Toky R

 

Dans la même rubrique