airtel

Fampianarana

13-juin-2024

TALATAMATY

Nentina am-bavaka ireo mpanala fanadinana

Sample post image

Nentina am-bavaka avokoa omaly Alarobia 12 Jona ireo mpanala fanadinam-panjakana rehetra ao anatin’ny

13-juin-2024

kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Voakasik’izany ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary Bakalorea. Tao amin’ny Ekar Imerinafovoany no nanatanterahana izany rehetra izany notarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny Fitondrana am-bavaka ny firenena izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona. Nosokafana omaly tamim-pimba ofisialy mantsy izany fanamarihana ny fetim-pirenena izany ho an’ity kaominina ity ka ny tanjona dia ny mba hahafahana mametraka ny zavatra rehetra hotontosaina eo am-pelatanan’Andriamanitra. Nomarihin’ny Ben’ny tanana moa fa hetsika efa fanaon’ny kaominina tantanany isan-taona izao izay hitohy avy hatrany amin’ireo karazana hetsika ara-tsosialy maro samihafa toy ny fijerena ireo olona sahirana sy ny zokiolona. Ny fanampiana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE…
Pati
Legende : Navitrika tahaka izao ireo kilonga madinika nanatrika ny fotoam-pivavahana omaly !

 

Dans la même rubrique