airtel

Fampianarana

04-déc-2023

Tanora sy ny fampianarana

3 amin’ny 10 no mitsoaka an-daharana, maro no tsy mahita asa

Sample post image

Nanao fanadihadiana nivelatra tamin’ny tanora tany amin’ny faritra miisa 9

04-déc-2023

ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, niaraka tamin’ny fanohanan’ny UNICEF Sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy, nandritra ity taona 2023 ity. Tanora maherin’ny 1770 no nanaovana fanadihadiana, ka maherin’ny 50% dia tovovavy, nahafahana nifanakalo sy nizaran’izy ireo ny hetahetany sy ny andrasany, ny ahiahiny, ny fomba fijery sy ny faniriany ho an’ny taona ho avy. Araka ny tatitra, tanora 3 amin’ny 10 no voatery mitsoaka an-daharana an-tsekoly noho ny tsy fahampiana ara-bola eto Madagasikara. Amin’ireo mahavita fianarana kosa, betsaka no manana fahasarotana amin’ny fitadiavana asa. Amin’ny lafiny fahasalamana, fanamarihan’ny tanora ny fisian’ny sakana amin’ny fisitrahana ireo toeram-pitsaboana ary misy ny tsy fahampiana amin’ny fisitrahana vaovao momba ny fahasalamana. Momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana kosa, ny isan’ny antony betsaka indrindra ambaran’ny olona dia ny tsy fandriampahalemana satria ny 63% no maneho izany, 55,8% kosa no maneho fa noho ny tsy fisian’ny asa mampidi-bola, raha toa ka ny 26% kosa no milaza fa noho ny fihinanana ireo zava-mahadomelina. Maneho hatrany io, fa manjavozavo ny hoavin’ny ankamaroan’ny tanora, misy olana ny fisitrahana ny fampianarana araka ny tokony ho izy, marary ny tontolon’ny fampianarana, na mahavita fianarana aza mbola misedra olana noho ny fahavitsian’ny tsenan’ny asa, tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny harena eto amin’ny firenena ny fandaharam-pampianarana. Manampy trotraka izany io olana mandavan-taona eny amin’ny Oniverstem-panjakana io, kanefa betsaka no tsy afaka misitraka tanteraka ny eny amin’ny tsy miankina. Ny tanora sy ny olombelona no harena voalohany ho an’ny firenena iray, kanefa betsaka no zary lasa vesatra noho ny antony maro, ary manamafy ireo voalaza rehetra ireo ny tondro momba ny fananan’olona tena ho afaka hamokatra sy ho herin’ny firenena na ICP (Indice de Capital Humain) izay voasokajy ho isan’ny tena marefo indrindra ny antsika eto Madagasikara izay 0,39 eo ny tondro ho antsika. Mila politika mazava sy mirindra kokoa amin’ny lafiny fampianarana sy ny famoronan’asa, raha tena mitady fampandrosoana marina.
Toky R

 

Dans la même rubrique