airtel

Fampianarana

23-août-2023

Taranja siantifika

“Efa tokony ho mora ny mampita azy!”

Sample post image

Any amin’ny ambaratonga fototra dia efa somary manahirana ankehitriny ny fanomanana ny toe-tsain’ny ankizy ho tia ny taranja siantifika,

23-août-2023

hoy ireo mpanabe eo anivon’ny lisea HR Daniel Ambohipanja Ankadikely Ilafy. Ny ankamaroan’ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, hoy ny fanazavana, dia inoana fa saika nofanina tanaty taranja literera ary mifantoka bebe kokoa amin’izay. Ny fiarahamonina koa miezaka mampiseho fa sarotra ny taranja siantifika ary manamaivana ny taranja literera. Mihevitra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny fiarahamonina fa mora ilay taranja literera dia mizotra mankany ny mpianatra. Lasa mpianatra vitsy sy manam-piniavana sisa manao ilay siantifika nefa azo atao tsara ny manomana an’izay, indrindra, ao anatin’izao vaninandro isian’ny fitaovana be dia be izao na dia atao hoe misy fahalafosany kely aza ohatra ny aterineto sy solosaina. Oharina amin’ny taloha izany dia efa tokony ho mora ny mampita ny taranja siantifika hananan’ny mpianatra toetsaina siantifika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap