airtel

Fampianarana

13-juin-2024

TETIKASA FANANGANANA TRANON-TSEKOLY

Hahazo tombony Alasora Avaradrano

Sample post image

Hahazo tombony amin’ny tetikasa fananganana tranon-tsekoly vaovao ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

13-juin-2024

Tonga nitsidika ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy ny solontenan'ny Association Zazakely avy any Grande Motte, Atoa FERRARI René. Niompana tamin’ny fiaraha-miasa amin'ny fananganana tranon-tsekoly vaovao ao amin’ity kaominina ity ny fihaonan’ny roa tonta.Mpiara- miasa amin'izy ireo avy any Allemagne no mivonona hanatanteraka ny tetikasa. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity moa dia mbola betsaka ireo fokontany tsy manana EPP ao an-toerana toy ny eny Ankadindratombo, Est-Mahazoarivo, Sud Ambohipo, Ankazobe sy Mandikanamana. Eo ihany koa ny tsy fahampian'ny efitrano fianarana ao amin'ny Lycée TASC sy ny CEG Alasora. Hojerena avokoa izany rehetra izany raha misy ny azo hatao.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap